Eksaody

Toko faha-23

1 Aza manely tsaho tsy marina. Aza manampy ny ratsy fanahy ka mitsangan-ko vavolombelona manombotomboka.

2 Aza momba ny maro hanao ratsy; raha misy ady aza miandany amin'ny maro ka mitsangan-ko vavolombelona nampitanila ny fitsarana.

3 Aza momba ny malahelo amin'ny adiny. 4 Raha hitanao mania ny ombim-pahavalonao na ny ampondrany dia aza diso ny mamerina izany any aminy.

5 Raha hitanao mihonaka ao ambanin'ny entany ny ampondran'izay mankahala anao, dia aza ilaozanao izy, fa miraisa hina aminy hanala ny entany. 6 Aza mamilivily ny rariny ananan'ny mahantra raha manana ady izy.

7 Fadio ny ady tsy marina ka aza mamono ny tsy manan-tsiny sy ny marina, fa tsy hamela ny meloka aho. 8 Aza mandray kolikoly fa mahajamba ny mahiratra ny kolikoly, ka tsy ahombiazan'ny ady marina. 9 Aza mampahory vahiny fa fantatrao ny fon'ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin'ny tany Ejipta koa hianareo. 10 Mandritra ny enin-taona no hamafazanao ny taninao sy hanangonanao ny vokatra aminy.

11 Fa amin'ny taona fahafito, avelao izy fa aza kasihina, ary hohanin'ny mahantra eo amin'ny firenenao ary hohanin'ny biby any an-tsaha ny sisa tsy lany. Torak'izany koa no hataonao amin'ny tanim-boalobokao sy ny olivanao. 12 Mandritra ny henemana no hanaovanao ny asanao, fa amin'ny andro fahafito mitsahara, mba hiala sasatra ny omby aman'ampondranao, sy haka aina ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny.

13 Tandremo avokoa ny zavatra rehetra nandidiako anao; aza manonona anaran'andriamani-kafa: aoka tsy hisy re aloaky ny vavanao akory izany.

14 Intelo isan-taona no hanaovanao fety fankalazana ahy.

15 Hitandrina ny fetin'ny Azima hianao: mandritra ny hafitoana dia hihinana mofo tsy misy lalivay hianao araka ny nandidiako anao, amin'ny fotoam-boafetra amin'ny volana abiba, fa tamin'io volana io no nivoahanao tany Ejipta; ka aza miseho eo anatrehako tsy mitondra fanatitra. 16 Hotandremanao ny fetin'ny fijinjana, fetin'ny voaloham-bokatry ny asanao izay nafafinao tany an-tsaha; ary ny fetin'ny fanangonam-bokatra amin'ny faran'ny taona, izay hanangonanao ny vokatry ny asanao tany an-tsaha; 17 koa intelo isan-taona no hisehoan'ny lehilahy rehetra eo anatrehan'ny Tompo Iaveh. 18 Tsy haterinao miaraka amin'ny mofo misy lalivay ny ràn'ny sorona atao amiko; ary tsy hotahirizina ho tra-maraina ny menaka momba ny fetiko.

19 Haterinao ao an-tranon'ny Tompo Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.

20 Indro aho maniraka anjely eo alohanao, hiaro anao eny an-dàlana sy hahatonga anao any amin'ny toerana nomaniko.

21 Mitandrema tena eo anatrehany ary henoy ny feony; aza manohitra azy, fa tsy hamela ny fandikanareo ny didiny izy, satria ny anarako no ao aminy. 22 Fa raha mihaino ny feony kosa hianao, ka manao izay rehetra holazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao aho, sy ho rafin'ny rafinao. 23 Fa handeha eo alohanao ny anjeliko hitondra anao ho any amin'ny Amoreana, ny Heteana, ny Ferezeana, ny Kananeana, ny Heveana ary ny Jeboseana, dia haringako ireny. 24 Aza mivavaka amin'ny andriamaniny na manompo azy; aza mianatra ny fombany, fa azearao sy montsàny ny tsangam-baton-tsampiny. 25 Manompoa an'ny Tompo Andriamanitrareo, dia hitso-drano ny mofonao aman-dranonao izy ary hampanalaviriko anao ny aretina. 26 Tsy hisy vehivavy afa-jaza, na vehivavy momba eo amin'ny taninao, ary hofenoiko isa ny andronao. 27 Handefa ny fampangorohoroako hialoha anao aho, hampifandritahiko ny firenena rehetra hahatongavanao ary hampiambohoiko anao ny fahavalonao rehetra.

28 Handefa fanenitra hialoha anao aho, ka horoahin'ireny handositra ny tavanao ny Heveana, ny Kananeana mbamin'ny Heteana. 29 Tsy hataoko indray mandroaka eo anatrehanao amin'ny taona iray anefa ireny, fandrao zary efitra ny tany, ka hihamaro ny biby dia hamely anao. 30 Fa horoahiko tsikelikely eo anoloanao izy mandra-pahamaro isa anao, ka hahazoanao mizaka ny tany. 31 Izao no hataoko faritaninao: hatramin'ny ranomasina Mena ka hatramin'ny ony, satria hatolotro eo an-tànanao ny mponina amin'ny tany ka horoahinao hiala eo anoloanao. 32 Tsy hanao fanekem-pihavanana amin'izy ireo na amin'ny andriamanitr'izy ireo hianao. 33 Tsy honina eo amin'ny taninao ireny, fandrao mampanota anao amiko, sao dia hanompo ny andriamaniny hianao ka ho tonga fandrika ho anao izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1409