Eksaody

Toko faha-27

1 Hanao ny otely amin'ny hazo akasià hianao: dimy hakiho ny lavany, dimy hakiho ny sakany, ka hitovy efatra ny lafiny, ary telo hakiho ny hahavony.

2 Amin'ny zorony efatra hasianao tandrony mivoaka avy ao amin'ny otely, ary petahanao takela-barahina izy. 3 Hanao tavy fandraofan-davenona momba ny otely hianao, ary sotron'afo, tavy, fitrebika, ary fatana; ataovy varahana avokoa ireo fanaka ireo. 4 Ary manaova karakara varahina miendri-karato ho an'ny otely ka asio masom-barahina efatra ny zorony efatra amin'io harato io, 5 dia apetraho eo ambanin'ny koronosin'ny otely avy ao ambany ary ho tonga hatreo amin'ny fisasahan'ny otely ny harato; 6 manaova bao hatao amin'ny otely, bao hazo akasià, ka petaho takela-barahina. 7 Hampidirina eo amin'ny masom-barahina ny bao, eo an-daniny roa amin'ny otely, rahefa hoenti-mifindra izy. 8 Ataovy hobok'aty, amin'ny hazo fisaka, izy: araka ny efa naseho anao tany an-tendrombohitra no hanaovana azy. 9 Manaova ny kianjan'ny Fonenana. Ny lafiny atsimo, ao an-kavanana, ny kianja dia hasianao fafy lamba rongony madinika voahasina hatao zato hakiho ny halavan'ny lafiny.

10 Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin'ny andriny sy ny anjaka itohizany. 11 Toy izany koa ny lafiny avaratra, hisy fefy lamba zato hakiho ny halavany, amin'ny andriny roapolo misy faladia varahina roapolo, volafotsy avokoa ny faraingo amin'ny andriny sy ny anjaka itohizany. 12 Ny amin'ny lafiny andrefana dia hatao dimam-polo hakiho ny halavan'ny fefy lamba amin'ny sakan'ny kianja, ary folo ny andry, folo ny faladiany. 13 Amin'ny lafiny atsinanana eo anoloany dia ho dimam-polo hakiho ny sakan'ny kianja; 14 ka ny ilany iray hasiana fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho mbamin'ny andry telo misy faladia telo, 15 ny ilany iray koa, fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho mbamin'ny andry telo misy faladia telo. 16 Ny amin'ny vavahadin'ny kianja, dia hasiana varavarana lamba, roapolo hakiho, vita amin'ny jaky volomparasy, sy jaky mena mangatrakatraka sy lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, misoratsoratra, mbamin'ny andriny efatra sy faladia efatra. 17 Ny andriny rehetra manodidina ny kianja, dia hakamban'ny anja-bolafotsy, sy hasiana faraingo volafotsy, ary hisy varahina avokoa. 18 Ny lavan'ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany ho dimam-polo avy, ny hahavony ho dimy hakiho, ny fefy lamba ho rongony fotsy madinika voahasina ary ny faladiany ho varahina. 19 Ho varahina avokoa ny fanaka rehetra hampiasaina amin'ny raharahan'ny Fonenana, ny tsimatra rehetra ao aminy, ary ny tsimatry ny kianja. 20 Omeo didy ny zanak'Israely hitondra aminao diloilon'oliva voatoto, hatao jiro hamelona ny lalampy lalandava.

21 Ao an-trano lay fihaonana, ivelan'ny efitra lamba anoloan'ny vavolombelona, no hanamboaran'i Aarona sy ny zanany azy, hirehetany eo anatrehan'ny Tompo hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an'ny zanak'Israely, hatramin'ny taranaka mifandimby.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1373