Eksaody

Toko faha-3

1 Ary Moizy niandry ny biby fiompin'i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiana. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, tany Horeba, izy.

2 Ny anjelin'ny Tompo niseho taminy, amin'ny endriky ny lelafo, teo afovoan'ny zava-maniry milobolobo. Hitan'i Moizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo, nefa tsy levona ilay zava-maniry milobolobo. 3 Ka hoy Moizy: Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io, sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo. 4 Hitan'ny Tompo fa niolaka hijery izy; dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan'ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe: Ry Moizy! ry Moizy! Ka hoy ny navaliny: Inty aho. 5 Dia hoy Andriamanitra: Aza manakaiky eto: esory ny kapa amin'ny tongotrao, fa tany masina io. 6 Ary hoy koa izy: Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaaka ary Andriamanitr'i Jakoba. Nosaronan'i Moizy ny tavany fa natahotra ny hijery an'Andriamanitra izy. 7 Ary hoy Iaveh hoe: Efa hitako ny fahorian'ny vahoakako izay any Ejipta ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok'ireo mpamoritra azy: fa fantatro ny fijaliany. 8 Ka hidina aho hamonjy azy amin'ny tànan'ny Ejipsiana, hitondra azy miakatra avy amin'ity tany ity, ho any amin'ny tany mahavokatra sy malalaka, tany tondra-dronono aman-tantely, dia any amin'ny tany onenan'ny Kananeana, ny Heteana, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Heveana ary ny Jeboseana. 9 Ary ankehitriny dia indro fa tafasondrotra hatraty amiko ny fitarainan'ny zanak'Israely, ary efa hitako ny fahoriana atambesatry ny Ejipsiana amin'izy ireo. 10 Koa handeha hianao amin'izao, irahiko ho any amin'i Faraona, hitondranao mivoaka ny zanak'Israely vahoakako. 11 Fa hoy Moizy tamin'Andriamanitra : Zinona moa aho no hankany amin'i Faraona sy hitondra ny zanak'Israely hivoaka avy any Ejipta?

12 Dia hoy Andriamanitra: Homba anao aho; ary izao no famantarana fa izaho no naniraka anao: Rahefa tafavoakanao an'i Ejipta ny vahoaka, dia hanompo an'Andriamanitra eto amin'ity tendrombohitra ity hianareo. 13 Ary hoy Moizy tamin'Andriamanitra: Izao àry, dia ho any amin'ny zanak'Israely aho, ka hilaza aminy hoe: irahin'ny Andriamanitry ny razanareo aho ho aty aminareo. Raha manontany izay anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo? 14 Hoy Andriamanitra tamin'i Moizy: Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak'Israely: Ilay misy no maniraka ahy ho aty aminareo. 15 Dia hoy koa Andriamanitra tamin'i Moizy: Lazao amin'ny zanak'Israely hoe: Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaaka, Andriamanitr'i Jakoba, no maniraka ahy ho aty aminareo. Fa izany no anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby. 16 Mandehana, vorio ny loholon'Israely, ka lazao aminy hoe: Niseho tamiko Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, nanao hoe: Namangy anareo aho, ary nahita ny anaovan'ny olona anareo any Ejipta. 17 Ka hoy aho: Hoentiko hianareo hiakatra avy any Ejipta, izay hamoretana anareo, ho any amin'ny tanin'ny Kananeana, ny Heteana, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Heveana ary ny Jeboseana, any amin'ny tany tondra-dronono aman-tantely. 18 Fa hihaino ny teninao izy ireo; dia handeha hianao sy ny loholon'Israely ho any amin'ny mpanjakan'i Ejipta, ka hanao aminy hoe: Niseho taminay Iaveh ilay Andriamanitry ny Hebrio. Koa amin'izao avelao izahay handeha lalan-kateloana any an'efitra, hanolotra sorona amin'ny Tompo, Andriamanitray. 19 Fantatro ihany fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan'i Ejipta, raha tsy amin'ny tànana mahery; 20 nefa haninjitra ny tànako aho hamely an'i Ejipta, amin'ny fahagagana isan-karazany hataoko eo aminy, ka havelany handeha hianareo rahefa afaka izany. 21 Hataoko mahita fitia eo imason'ny Ejipsiana ity vahoaka ity, any ka tsy hitondra tanam-polo hianareo, rahefa handeha. 22 Samy hangataka fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fitafiana, amin'izay mifanolo-body rindrina aminy sy amin'izay miray trano aminy avy, ny vehivavy, hataonareo amin'ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy; ka dia hambabo an'i Ejipta hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1695