Eksaody

Toko faha-33

7 Nalain'i Moizy ny trano lay, naoriny eo ivelan'ny toby, lavidavitra ihany, nataony hoe: ny trano lay fihaonana no anarany; ary na zovy na zovy nitady an'ny Tompo dia nankeo amin'ny trano lay fihaonana teo ivelan'ny toby.

8 Nony injay miainga Moizy ho ao an-trano lay fihaonana, ny vahoaka rehetra kosa samy mitsangana eo am-baravaran'ny lay manara-maso an'i Moizy mandra-pidiny ao an-trano lay. 9 Raha vao tafiditra ao an-day Moizy, ny andry rahona midina mijanona eo anoloan'ny trano lay, ary Iaveh miresaka amin'i Moizy. 10 Mahita ny andry rahona mijanona eo anoloan'ny trano lay ny vahoaka, dia mitsangana ny vahoaka rehetra ary samy miankohoka eo am-baravaran'ny lainy avy. 11 Ary Iaveh miresaka mifanatrika amin'i Moizy, mova tsy ny olona miresaka amin'ny sakaizany. Rahefa izany dia miverina mankany an-toby Moizy, fa Josoe zanak'i Nona, ilay zatovolahy mpanompony, tsy mba niala tao afovoan'ny trano lay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0531