Eksaody

Toko faha-34

29 Nidina avy any an-tendrombohitra Sinaia Moizy, ary Moizy nitondra ny takelaka roan'ny vavolombelona teny an-tànany nony nidina avy any an-tendrombohitra; ary tsy fantatr'i Moizy fa tonga mpandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany, nandritra ny niresahany tamin'ny Tompo.

30 Aarona sy ny zanak'Israely rehetra nahita an'i Moizy ka indro nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany dia natahotra ny hanatona azy izy ireo. 31 Nantsoin'i Moizy ireo, ka nanatona azy Aarona sy ny loholona rehetra amin'ny fiangonana ka niresaka tamin'ireo izy. 32 Vao izay vao nanatona koa ny zanak'Israely rehetra, ka nomeny azy ny didy rehetra noraisiny tamin'ny Tompo tany an-tendrombohitra Sinaia. 33 Nony avy niteny Moizy dia nosaronany voaly ny tarehiny. 34 Raha niditra eo anatrehan'ny Tompo Moizy hiresaka aminy dia nesoriny ny voaly, mandra-pivoakany. Rahefa izany dia nivoaka izy ary nanambara tamin'ny zanak'Israely ny didy azony.

35 Hitan'ny zanak'Israely ny tarehin'i Moizy, fa nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavan'i Moizy, ka dia saronan'i Moizy voaly indray ny tarehiny mandra-pidiny hiresaka amin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.098