Eksaody

Toko faha-38

1 Hazo akasià no nanaovany ny otely fanaovan-tsorona dorana; dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny sakany, fa mitovy ny lafiny efatra, ary telo hakiho ny hahavony.

2 Ny zorony efatra nasiany tandrony mivoaka avy amin'ny otely, sy nopetahany takela-barahina ny otely. 3 Nataony avokoa ny fanaka momba ny otely: Ny tavin-davenona, ny lapela, ny tavy, ny fitrebika ary ny fatana; varahina no nanaovany an'ireo fanaka rehetra ireo. 4 Nanaovany karakara varahina ny otely, nataony toy ny harato, dia napetrany teo ambanin'ny koronosin'ny otely, avy eo ambany ka hatreo amin'ny fisasahany. 5 Nandrendrika masom-bola efatra izy ho eo amin'ny zorony efatra amin'ny karakara varahina, hitsofohan'ny bao.

6 Hazo akasià nopetahany varahina, no nanaovany ny bao. 7 Natsofony tamin'ny masombola eo andaniny roan'ny otely ny bao hitondrana azy. Nataony hoboka àty tamin'ny hazo fisaka ny otely. 8 Nanao ny tavy varahina sy ny faladiany varahina izy tamin'ny fitaratr'ireo vehivavy mpivory eo amin'ny fidiran'ny trano lay fihaonana.

9 Dia nanao ny kianja izy. Ny fefy lamba tamin'ny lafiny atsimo, ao an-kavanana, dia zato hakiho ny lavany; rongony madinika mihasina no nanaovana azy;

10 roapolo ny andriny, roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny faraingo amin'ny andriny sy ny anjaka hitohizany. 11 Tamin'ny lafiny avaratra, zato hakiho ny fefy lamba, roapolo ny andriny, roapolo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny faraingo amin'ny andriny sy ny anjaka hitohizany. 12 Tamin'ny lafiny andrefana, dimampolo hakiho ny fefy lamba, folo ny andriny ary folo ny faladiany. 13 Tamin'ny lafiny atsinanana anoloana, dimampolo hakiho koa. 14 Tamin'ny ilany iray, fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho, sy ny andry telo mbamin'ny faladiany telo. 15 Ary tamin'ny ilany iray, - fa samy tamin'ny ilany iray amin'ny vavahadin'ny kianja avy izy, - fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho sy ny andriny telo mbamin'ny faladiany telo. 16 Rongony madinika mihasina avokoa ny lamba rehetra namefy ny kianja; 17 varahina ny faladian'ny andry, volafotsy ny faraingo amin'ny andry sy anjaka itohizany, ary voapetaka takela-bolafotsy ny koronosy amin'ny lohany. Voakambana amin'ny anja-bolafotsy avokoa ny andry amin'ny kianja. 18 Ny lamba varavarana tamin'ny vavahadin'ny kianja dia asan-tenona misoratsoratra, natao tamin'ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina; roapolo hakiho ny halavany, dimy hakiho ny hahavony, tahaka ny sakan'ny fefy lamba amin'ny kianja; 19 varahina ny andriny efatra sy ny faladiany efatra; volafotsy ny faraingony sy ny anjaka itohizany, ary voapetaka takela-bolafotsy ny koronosy amin'ny lohany. 20 Varahina avokoa ny tsimatra amin'ny Fonenana sy amin'ny fefin'ny kianja. 21 Ary izao no isan'ny zavatra nanaovana ny Fonenana, dia ny Fonenan'ny vavolombelona; ny Levita, notaritin'Itamara, zanak'i Aarona, mpisorona, no nanao ny fanisana, araka ny teny azony tamin'i Moizy.

22 Ny nanao izay rehetra nandidian'ny Tompo an'i Moizy dia Beseleela, zanak'i Orì, zanak'i Hora, amin'ny fokon'i Jodà; 23 ary ny nanampy azy dia Ooliaba, zanak'i Akisameka, amin'ny fokon'i Dana, mahay manao sary sokirina, mamorona fomban-taozavatra vaovao, manao tenona misoratsoratra amin'ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika. 24 Ny tontalin'ny volamena nanaovana ny zavatra, izay zavatra rehetra natao momba ny fitoerana masina, dia talenta sivy amby roapolo sy sikla telopolo amby fiton-jato, araka ny sikla masina; volamena avy amin'ny fanatitra ireo. 25 Ny volafotsy avy amin'ny olona voaisa tamin'ny fiangonana kosa, nahatratra talenta zato sy sikla dimy amby fitopolo sy fiton-jato amby arivo, araka ny sikla masina. 26 Bekà iray isan'olona izany na antsasaky ny sikla iray, araka ny sikla masina, isan'olona, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, izay tratry ny fanisana, dia olona dimampolo amby diman-jato sy telo arivo sy enina hetsy. 27 Ny volafotsy talenta zato narendrika nanaovana ny faladian'ny fitoerana masina sy ny faladian'ny efitra lamba, faladia zato araka ny talenta zato, talenta isam-paladia. 28 Ary ny dimy amby fitopolo sy fiton-jato amby arivo sikla, nanaovana ny faraingo amin'ny andry, sy ny peta-bolafotsy amin'ny koronosin'ny lohan'ny andry, ary anjaka itohizany. 29 Ny varahina naterin'ny olona nahatratra talenta fitopolo ary sikla efa-jato amby roa arivo. 30 Ny natao tamin'ireo dia ny faladia eo amin'ny varavaran'ny trano lay fihaonana, ny otely varahina mbamin'ny karakara varahina sy ny fanaka rehetra momba ny otely, ny faladian'ny fefin'ny kianja sy ny faladian'ny vavahadin'ny kianja ary ny tsimatra rehetra amin'ny Fonenana sy ny tsimatra rehetra amin'ny fefin'ny kianja.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0962