Eksaody

Toko faha-4

1 Fa namaly Moizy ka nanao hoe: Tsy hino ahy izy ireo na hihaino ny feoko akory, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Iaveh.

2 Ka hoy Iaveh taminy: Inona iny an-tànanao iny? Dia hoy ny navaliny: Tehina ity. 3 Ary hoy Iaveh: Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany, ka nanjary bibilava; ka vaky nandositra azy Moizy. 4 Fa hoy Iaveh tamin'i Moizy: Arosoy ny tànanao, ka raiso amin'ny rambony. 5 Narosony ny tànany dia nandray azy izy ka nanjary tehina indray io teo an-tànany. 6 Izany no hinoany fa niseho taminao Iaveh Andriamanitry ny razan'izy ireo, dia ny Andriamanitr'i Jakoba. Ary hoy koa Iaveh taminy: Atsofohy ao amin'ny tratranao ny tànanao. Dia natsofony tao amin'ny tratrany ny tànany dia notsoahany avy ao, ka indro rakotry ny habokana hoatra ny oram-panala. 7 Ary hoy Iaveh: Atsofohy ao amin'ny tratranao indray ny tànanao; ary natsofony tao amin'ny tratrany indray ny tànany, dia notsoahany avy ao, ka indro nanjary sahala amin'ny nofony. 8 Raha tsy mino anao izy fa tsy mihaino ny feon'ny famantarana voalohany, dia hino ny feon'ny famantarana faharoa. 9 Ary raha tsy mino amin'ireo famantarana roa ireo aza izy, ka tsy mihaino ny feonao, dia haka rano eo amin'ny ony hianao, hanosaka azy amin'ny tany, fa io rano nalainao teo amin'ny ony io hanjary rà eo amin'ny tany. 10 Dia hoy Moizy tamin'ny Tompo: Indrisy! ry Tompo, olona mananosarotra ihany aho raha hiteny, ary hatramin'ny omaly sy afak'omaly no toy izany aho, ary na dia hatramin'izao hitenenanao amin'ny mpanomponao izao aza miambatrambatra ny vavako sy ny lelako.

11 Fa hoy Iaveh taminy: Iza moa no nanao ny vavan'ny olombelona, ary zovy no mahatonga azy ho moana na marenina, mahiratra na jamba? tsy izaho Iaveh va? 12 Koa andeha, fa homba ny vavanao aho ary hanoro izay holazainao. 13 Hoy anefa Moizy: Indrisy! ry Tompo, ampitondray izay tianao hampitondraina azy re ny teninao. 14 Dia nirehitra tamin'i Moizy ny fahatezeran'ny Tompo, ka hoy izy: Tsy eo va Aarona, rahalahinao, ilay Levita? Fantatro fa tsy hananosarotra izy raha hiteny. Ary indro tamy hitsena anao aza izy, ka ho faly ny fony rahefa mahita anao. 15 Hiteny aminy hianao sy hanolotra ny teny hambarany; ary izaho homba ny vavanao sy ny vavany, ary haneho aminareo izay tsy maintsy hataonareo. 16 Izy no hiteny amin'ny vahoaka hisolo anao; ho solom-bavanao izy, ary hianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy. 17 Ary iny tehina iny, dia ento eny an-tànanao, fa iny no hanaovanao ny famantarana. 18 Dia lasa Moizy. Nony tafaverina tany amin'i Jetrao rafozany izy, dia hoy izy taminy: Masìna hianao, avelao kely aho hiverina ho any amin'ireo rahalahiko any Ejipta, mba hizaha raha mbola velona ihany izy. Ary hoy Jetrao tamin'i Moizy: Mandehana amim-piadanana.

19 Hoy Iaveh tamin'i Moizy, tany amin'ny tany Madiana: Mandehana miverina any Ejipta fa efa maty avokoa ireo nitady hamono aina anao.

20 Dia nalain'i Moizy ny vady aman-janany, nampitaingeniny ampondra, ka niverina ho any an-tany Ejipta izy. Nataon'i Moizy an-tanany ny tehin'Andriamanitra. 21 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatànanao ireo; hataonao eo anatrehan'i Faraona ireo. Fa izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka. 22 Hianao hilaza amin'i Faraona hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Israely dia zanako, zanako lahimatoa. 23 Ka izao no lazaiko aminao: Avelao handeha ny zanako, hanompo ahy; fa raha mandà hianao ka tsy mamela azy handeha, hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahimatoa. 24 Teny an-dàlana, teo amin'ny toerana anankiray nandrian'i Moizy, tamy nitsena azy Iaveh, nitady hahafaty azy.

25 Fa nalain'i Seforà ny fiharatra vato ka noforany ny zanany lahy, dia nakasiny ny tongotr'i Moizy ny nesoriny teo, nataony hoe: Vady tamin-drà ho ahy hianao. 26 Dia tsy naninona azy Iaveh. Tamin'izay no nilazan-dravehivavy hoe: Vady tamin-drà noho ny famorana. 27 Ary Iaveh nilaza tamin'i Aarona hoe: Mandehana mitsena an'i Moizy any an'efitra. Dia niainga Aarona, ka nifanena tamin'i Moizy teo an-tendrombohitr'Andriamanitra ary nanoroka azy.

28 Nampahalalain'i Moizy an'i Aarona avokoa ny teny nampitondrain'ny Tompo azy, sy ny famantarana rehetra nodidiny hataony. 29 Dia notohizan'i Moizy sy Aarona ny diany, ka namory ny loholona rehetra amin'ny zanak'Israely izy. 30 Ary nambaran'i Aarona avokoa ny teny nolazain'ny Tompo tamin'i Moizy, sady nataony teo imason'ny vahoaka ny famantarana; 31 ka nino ny vahoaka; fantany fa efa namangy ny zanak'Israely Iaveh sy efa nitsinjo ny fahoriany, ka dia niondrika nitsaoka izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1001