Eksaody

Toko faha-40

1 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy ka nanao hoe:

2 Amin'ny andro voalohan'ny volana voalohany no hanangananao ny Fonenana, ny trano lay fihaonana.

3 Hapetrakao ao ny fiaran'ny vavolombelona ka hokoboninao amin'ny lamba.

4 Dia hoentinao ny latabatra, ka halahatrao eo amboniny izay tsy maintsy hatao eo; hoentinao ny fanaovan-jiro dia hapetrakao eo amboniny ny lalampiny.

5 Hataonao eo anoloan'ny fiaran'ny vavolombelona ny otely volamena fandoran-java-manitra, ary hataonao eo amin'ny fidirana ao amin'ny Fonenana ny varavarana lamba.

6 Hataonao eo anoloan'ny fidirana ao amin'ny Fonenana, ao amin'ny trano lay fihaonana, ny otely fanaovan-tsorona dorana.

7 Hapetrakao eo anelanelan'ny trano lay fihaonana sy ny otely ny tavy, ka hasianao rano.

8 Hatsanganao ny kianja manodidina dia hataonao amin'ny kianja ny vavahady lamba.

9 Halainao ny diloilo fanosorana dia hohosoranao ny Fonenana mbamin'izay rehetra ao aminy; hohamasininao izy sy ny fanaka rehetra momba azy, dia ho masina izy.

10 Hanosotra ny otely fanaovan-tsorona dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy hianao, hanamasina ny otely, dia ho masina indrindra ny otely.

11 Hanosotra ny tavy amam-paladiany hianao dia hanamasina azy.

12 Hasainao handroso ho eo akaikin'ny fidirana amin'ny trano lay fihaonana Aarona sy ireo zanany, ka hanadio azy amin'ny rano hianao.

13 Rahefa izany dia hatafinao an'i Aarona ny fanamiana masina ka hohosoranao sy hohamasininao izy dia ho mpisorona hanao ny fanompoana ahy.

14 Hasainao handroso koa ireo zanany ka hatafinao azy ny toniky,

15 dia hohosoranao toy ny nanosoranao an-drainy izy, dia ho mpisorona hanao ny fanompoana ahy. Izany fanosorana izany no hampahazo azy ny fahefam-pisoronana mandrakizay amin'ny taranany mandimby azy.

16 Dia nataon'i Moizy izay rehetra nandidian'ny Tompo azy, dia vitany arak'izany.

17 Tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany amin'ny taona faharoa, dia voatsangana ny Fonenana.

18 Natsangan'i Moizy ny Fonenana; naoriny ny faladiany, nalahany ny hazo fisany mbamin'ny barany, dia natsangany ny andriny.

19 Novelariny ny lay teo ambonin'ny Fonenana, ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.

20 Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara; nataony tamin'ny fiara ny bao, ary napetrany teo ambonin'ny fiara ny fanaovam-panavotana.

21 Nentiny tao anatin'ny Fonenana ny fiara, dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran'ny vavolombelona, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.

22 Napetrany tao an-trano lay fihaonana ny latabatra amin'ny lafiny avaratra amin'ny Fonenana, aty ivelan'ny efitra lamba,

23 dia nalahany eo amboniny, tao anatrehan'ny Tompo ny mofo, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.

24 Nataony tao an-trano lay fihaonana koa ny fanaovan-jiro, tandrifin'ny latabatra, amin'ny lafiny atsimo amin'ny Fonenana,

25 dia nametrahany ny lalampy, teo anatrehan'ny Tompo, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.

26 Napetrany tao an-trano lay fihaonana, anoloan'ny efitra lamba, ny otely volamena,

27 dia nandoroany emboka, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.

28 Nataony teo amin'ny fidirana amin'ny Fonenana ny varavarana lamba.

29 Nataony teo amin'ny fidirana amin'ny Fonenana, amin'ny trano lay fihaonana, ny otely fanaovan-tsorona dorana, dia nanolorany ny sorona dorana sy ny fanatitra araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.

30 Napetrany teo anelanelan'ny trano lay fihaonana sy ny otely ny tavy, dia nasiany rano ho fiafanana;

31 ary nanasa ny tànany sy ny tongony teo Moizy sy Aarona mbamin'ny zanany.

32 Rahefa hiditra ao an-trano lay fihaonana sy hanatona ny otely izy ireo, dia nisasa, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.

33 Ary nanangana ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny otely izy, sy nanantona ny lamba amin'ny vavahadin'ny kianja. Toy izany no nahavitan'i Moizy izany raharaha izany.

34 Tamin'izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana: ary ny voninahitry ny Tompo nameno ny Fonenana.

35 Ka tsy afa-niditra intsony tao an-trano lay fihaonana Moizy, fa nijanona teo amboniny ny rahona, ary nameno ny Fonenana ny voninahitry ny Tompo.

36 Nandritra ny andro rehetra nandehanan'ny zanak'Israely, dia niainga izy ireo raha niakatra niala teo ambonin'ny Fonenana ny rahona,

37 fa tsy niainga kosa izy ireo raha tsy niakatra ny rahona, mandra-pahatongan'ny andro niakaran'ny rahona indray.

38 Fa ny rahon'ny Tompo dia nijanona teo ambonin'ny Fonenana, raha antoandro ny andro, ary amin'ny alina dia nisy afo, hitan'ny taranak'Israely rehetra, teo amin'ny rahona, mandritra ny andro rehetra nandehanany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0684