Eksaody

Toko faha-7

1 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Indro hianao efa nataoko ho Andriamanitra eo imason'i Faraona, ary Aarona rahalahinao no ho mpaminaninao.

2 Hianao moa hilaza izay rehetra handidiako anao; Aarona rahalahinao kosa, hiteny amin'i Faraona mba handefany ny zanak'Israely hiala amin'ny taniny. 3 Ary izaho hanamafy ny fon'i Faraona, sy hampitombo ny famantarako amam-pahagagako amin'ny tany Ejipta. 4 Tsy hihaino anareo Faraona, ary haninjitra ny tànako amin'i Ejipta aho, ary fitsarana lehibe no hamoahako avy amin'ny tany Ejipta, ny tafiko, ny oloko, ny zanak'Israely. 5 Ho fantatry ny Ejipsiana fa izaho no Iaveh, rahefa haninjitra ny tànako amin'i Ejipta aho sy hamoaka ny zanak'Israely avy ao afovoan'izy ireo. 6 Dia nataon'i Moizy sy Aarona izay nandidian'ny Tompo azy; izany no nataony. 7 Efa valo-polo taona Moizy ary telo amby valo-polo taona Aarona, tamin'izy ireo niteny tamin'i Faraona. 8 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy sy Aarona:

9 Raha avy izay hilazan'i Faraona aminareo hoe: Manaova fahagagana, dia lazao amin'i Aarona hoe: Raiso ny tehinao ka atsipazo eo anatrehan'i Faraona, fa hanjary bibilava iny. 10 Dia nankany amin'i Faraona Moizy sy Aarona, nataony avokoa izay nandidian'ny Tompo azy ireo. Natsipin'i Aarona ny tehiny teo anoloan'i Faraona sy ny mpanompony, ka nanjary bibilava. 11 Fa mba nantsoin'i Faraona koa ny mpanao ody any Ejipta, dia mba nahavita torak'izany koa, tamin'ny fankatoavany. 12 Samy nanipy ny tehiny avy izy, dia samy mba nanjary bibilava koa. Faingy natelin'ny tehin'i Aarona avokoa ny tehin'izy ireo. 13 Ka nihamafy ny fon'i Faraona, fa tsy nihaino an'i Moizy sy Aarona izy, araka ny efa voalazan'ny Tompo rahateo. 14 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Efa nihamafy ny fon'i Faraona ka mandà tsy handefa ny vahoaka.

15 Rahampitso maraina mankanesa any amin'i Faraona hianao, fa hivoaka ho any amoron-drano izy, ka dia ho eo amoron'ny ony hianao miandry azy. Hoentinao eo an-tànana ilay tehina voaova ho bibilava, 16 ary hianao hilaza aminy hoe: Nirahin'ny Tompo, Andriamanitry ny Hebrio, ho aty aminao, aho, hilaza aminao hoe: Avelao handeha ny vahoakako, hanompo ahy any an'efitra. Ary indro fa mandrak'izao dia tsy nety nihaino hianao. 17 Ka izao no lazain'ny Tompo: Izao no hahafantaranao fa izaho no Iaveh: Hokapohiko amin'ity tehina an-tànako ity ny rano eo amin'ny ony, dia ho voaova ho rà; 18 ka ny hazandrano ao anaty ony ho faty, ny ony hanjary maimbo; ary ny Ejipsiana harikoriko tsy te-hisotro ny rano eo an'ony. 19 Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Lazao amin'i Aarona hoe: Raiso ny tehinao ary ahinjiro eo ambonin'ny ranon'i Ejipta ny tànanao, dia amin'ny reniranony, amin'ny lakan-dranony, amin'ny dobo aman-kamoriny rehetra. Hanjary rà ireny ka hisy rà amin'ny tany Ejipta manontolo, na amin'ny fasian-drano hazo, na amin'ny fasian-drano vato.

20 Dia nataon'i Moizy sy Aarona izay nandidian'ny Tompo azy. Naingain'i Aarona ny tehina, nokapohiny teo anatrehan'i Faraona sy ny mpanompony ny rano tamin'ny ony, ka nanjary rà avokoa ny rano rehetra tamin'ny ony; 21 Maty ny hazandrano tamin'ny ony, nanjary maimbo ny ony, tsy azon'ny Ejipsiana nosotroina ny rano tamin'ny ony ary heni-dra ny tany Ejipta tontolo. 22 Nahavita torak'izany tamin'ny fankatoavany ihany koa anefa ny mpanao odin'i Ejipta, ka nihamafy ny fon'i Faraona, fa tsy nihaino an'i Moizy sy Aarona izy, araka ny voalazan'ny Tompo rahateo. 23 Dia nody Faraona ka nony tonga tany an-tranony, tsy nandinika izany akory tao am-pony. 24 Ary ny Ejipsiana rehetra nihady lavaka teny akaikin'ny ony hahitany rano azo sotroina, fa tsy azony nosotroina ny rano tamin'ny ony. 25 Lasa ny andro fito taorian'ny namelezan'ny Tompo ny ony.

26 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mankanesa ao amin'i Faraona, lazao aminy hoe: Izao no tenin'ny Tompo: Avelao handeha ny vahoakako hanompo ahy.

27 Fa raha mandà tsy handefa azy hianao, hataoko hidiran-doza, avy amin'ny sahona, ny taninao manontolo. 28 Ho hipoka sahona ny ony, ary hiakatra ireny ka hiditra ao an-tranonao, ao an'efitrano fandrianao, eny ambony farafaranao, ao an-tranon'ny mpanomponao, eny amin'ny vahoakanao, amin'ny lafaoronao, ary amin'ny fanditian-dafarininao.

29 Hiakaran'ny sahona avokoa hianao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1661