Eksaody

Toko faha-8

1 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Lazao amin'i Aarona hoe: Ahinjiro eo ambonin'ny renirano sy ny lakan-drano ary ny farihy ny tànanao mitana ny tehinao, ka ampiakaro ho eo amin'ny tany Ejipta ny sahona.

2 Dia nahinjitr'i Aarona tambonin'ny rano any Ejipta, ny tànany, ka niakatra nanenika ny tany Ejipta ny sahona. 3 Nanao torak'izany koa anefa ny mpanao ody tamin'ny fankatoavany, ka nampiakatra ny sahona ho eo amin'ny tany Ejipta izy ireo. 4 Ary Faraona nampaka an'i Moizy sy Aarona nilazany hoe: Mangataha amin'ny Tompo mba hanesorany ny sahona amiko sy amin'ny vahoakako, fa halefako handeha ny vahoaka, hanolorany sorona amin'ny Tompo.

5 Ka hoy Moizy tamin'i Faraona: Lazao amiko àry izay sitraponao: Ho amin'ny fotoana inona no hanaovako fivavahana ho anao sy ho an'ny mpanomponao amam-bahoakanao, mba hanalavitan'ny Tompo ny sahona aminao sy amin'ny tranonao, ka tsy hisiany intsony, afa-tsy ao amin'ny ony ihany. Dia hoy izy: 6 Ho amin'ny ampitso. Dia hoy Moizy: Aoka, fa ho tanteraka izany, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an'ny Tompo, Andriamanitray. 7 Hiala aminao sy ny tranonao ny sahona ary amin'ny mpanomponao sy ny vahoakanao, tsy hisy tavela intsony, afa-tsy ny any amin'ny ony ihany. 8 Nivoaka avy ao amin'i Faraona Moizy sy Aarona; ary Moizy nitaraina tamin'ny Tompo ny amin'ny sahona nameliny an'i Faraona. 9 Ka notanterahin'ny Tompo ny hatak'i Moizy, fa maty avokoa ny sahona tany an-trano, sy teny an-tokotany, ary tany an-tsaha. 10 Natangongo tamin'ny toerana maro ireny, ary maimbony ny tany. 11 Nony hitan'i Faraona anefa nisy hiainana dia nohamafisiny ny fony, ka tsy nihaino an'i Moizy sy Aarona izy, araka ny efa voalazan'ny Tompo. 12 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Lazao an'i Aarona hoe: Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, fa hanjary moka eran'ny tany Ejipta ireny.

13 Dia nataon'izy ireo izany. Nahinjitr'i Aarona ny tànany mbamin'ny tehiny, ka nokapohiny ny vovo-tany, dia mby eny amin'ny olona sy ny biby ny moka. Nanjary moka avokoa ny vovo-tany eran'ny tany Ejipta. 14 Nanao toy izany tamin'ny fankatoavany ihany koa ny mpanao ody mba hahatonga moka, fa tsy nahavita izany izy. Mby eny amin'ny olona sy ny biby ny moka. 15 Fa hoy ny mpanao ody tamin'i Faraona: Rantsan-tànan'Andriamanitra izany. Ary nihamafy anefa ny fon'i Faraona ka tsy nihaino azy ireo izy, araka ny efa voalazan'ny Tompo. 16 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mifohaza maraina koa ka tongava eo anatrehan'i Faraona amin'ilay fotoana ivoahany ho any amoron-drano iny. Lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Avelao handeha ny vahoakako hanompoany ahy.

17 Fa raha tsy alefanao handeha ny vahoakako, indro aho handefa lalibe hamely anao, hamely ny mpanomponao, hamely ny vahoakanao, ary hamely ny tranonao. Ho heraka lalibe ny tranon'ny Ejipsiana mbamin'ny tany onenany. 18 Amin'io andro io anefa havahako ny tany Gesena onenan'ny vahoakako, fa tsy mba hisy lalibe ny ao, mba hahafantaranao fa ao afovoan'io tany io izaho Iaveh. 19 Hasiako fiavahana ny vahoakako sy ny vahoakanao; ary rahampitso no hisian'izany famantarana izany. 20 Dia nataon'ny Tompo izany ka tongan'ny lalibe zavon-tany ny tranon'i Faraona sy ny an'ny mpanompony, ary simban'ny lalibe daholo ny tany Ejipta manontolo. 21 Nampanalain'i Faraona Moizy sy Aarona nilazany hoe: Mandehana hianareo manolotra sorona amin'ny Andriamanitrareo eto amin'ity tany ity.

22 Ka hoy Moizy: Tsy mety ny manao izany, fa zava-padin'ny Ejipsiana ny sorona atolotra amin'ny Tompo Andriamanitray; ka raha eo imason'i Ejipsiana izahay no hanao sorona ny zava-padiny, tsy sakoa ataony tora-bato? 23 Fa handeha lalan-kateloana any an'efitra izahay no hanolotra sorona amin'ny Tompo Andriamanitray, araka izay holazainy aminay. 24 Dia hoy Faraona: Halefako handeha ihany hianareo, hanolotra sorona amin'ny Tompo Andriamanitrareo, any an'efitra, nefa aza lasan-davitra loatra hianareo amin'izany fandehananareo izany. Ary manaova fivavahana ho ahy. 25 Ary hoy Moizy: Indro hivoaka ato aminao aho, dia hangataka amin'ny Tompo, ka rahampitso ny lalibe dia hiala amin'i Faraona sy ny mpanompony ary ny vahoakany. Fa aoka kosa Faraona tsy hamitaka intsony, ka tsy hamela ny vahoaka handeha hanolotra sorona amin'ny Tompo. 26 Vao niala avy ao amin'i Faraona Moizy, dia nivavaka tamin'ny Tompo; 27 ary notanterahin'ny Tompo ny tenin'i Moizy ka dia niala tamin'i Faraona sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny lalibe ka tsy nisy tavela, na dia iray aza. 28 Nefa mbola nanamafy ny fony ihany indray Faraona tamin'izany, ka tsy nalefany handeha ny vahoaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0912