Bokin'i Esdrasa

Toko faha-6

7 ka avelao hotohizana ny asa amin'ny tranon'Andriamanitra; aoka ny governoran'ny Jody sy ny loholon'ny Jody hanorina izany tranon'Andriamanitra izany indray amin'izay fitoerany teo. 8 Ary izao no didy omeko anareo ny amin'izay tokony hataonareo amin'ireo loholon'ny Jody, hanorenana indray io tranon'Andriamanitra io: ny haren'ny mpanjaka, ny hetra aloan'ny any an-dafin'ny ony, no handoavana izay lany marina amin'ireo olona ireo, mba tsy hiatoato izy. 12 Ary ilay Andriamanitra izay mampitoetra ny anarany ao anie hanongana ny andriana amam-bahoaka izay haninji-tanana hanova izao didy izao sy handrava izany tranon'Andriamanitra any Jerosalema izany. Didy nomeko izaho Dariosa, ity; ka tsy maintsy toavina an-tsakany sy an-davany. 14 Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon'Israely, ka nandroso tsara ny asa, noho ny faminanian'i Akzea mpaminany, sy Zakaria zanak'i Adao. Nanao izy dia nahavita araka ny didin'Andriamanitr'Israely sy araka ny didin'i Sirosa, Dariosa, Artakserksesa, mpanjakan'i Persa. 15 Tamin'ny andro fahatelon'ny volana Adara, taona fahaenina nanjakan'i Dariosa mpanjaka, no nahavitan'ny trano. 16 Ary ny zanak'Israely, ny mpisorona, ny levita, ary ny olona sisa tamin'ny zanaky ny fahababoana, dia samy nitokana ny tranon'Andriamanitra tamin-kafaliana.

17 Izao no naterin'ny olona hitokanana io tranon'Andriamanitra io: ombalahy zato, ondralahy roan-jato, zanak'ondry efa-jato, ary osilahy roa ambin'ny folo, araka ny isan'ny fokon'Israely ho sorona noho ny ota, ho an'Israely rehetra. 18 Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy, sy ny levita araka ny fizarany avy, hanao ny fanompoana an'ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'i Moizy. 19 Tamin'ny andro fahaefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany, dia nanao ny Paka ny zanaky ny fahababoana.

20 Fa efa samy nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny levita tsy an-kanavaka, ka samy efa madio avokoa. Dia namono ny Paka izy ireo ho an'ny tenany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0662