Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Ezekiela

Ezekiela toko 2, 8-10.3
<3Hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, indro hianao irahiko, ho any amin'ny zanak'Israely, ho any amin'ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko; fa efa nanota tamiko, mandrak'androany aza, ireo sy ny razany.
       8Ary hianao, ry zanak'olona, henoy izao lazaiko aminao izao: Aza miodina tahaka izany taranaka miodina izany. Sokafy ny vavanao, ka hano izay omeko anao.
       9Dia nojereko, ka indro nisy tànana natsotra nankatý amiko, ary indro fa nitana horonan-taratasy. 10Novelariny teo anoloako io, ka voasoratra ny tao anatiny sy ny teo ivelany; ary hira fisaonana amam-pitomaniana sy fitarainana no voasoratra teo. >