Bokin'i Ezekiela

Toko faha-34

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, maminania ny amin'ny mpiandry an'Israely. Maminania, ka lazao aminy, dia amin'ireo mpiandry ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Loza ho an'ny mpiandry an'Israely, fa ny tenany ihany no nofahanan'izy ireo! Moa tsy ny ondry va no tokony hofahanan'ny mpiandry?

3 Nohaninareo ny taviny, notafinareo ny volony, novonoinareo ny matavy; tsy namahana ny ondry hianareo:

4 tsy nanatanjaka ny malemy, tsy nitsabo ny marary, tsy namehy ny naratra, tsy namerina ny nania, tsy nitady ny very, fa nanapaka azy an-kalozana sy an-kasiahana!

5 Ka niely izy, fa tsy nisy mpiandry; zary rembin'izao biby an-tsaha rehetra izao, dia tafaely.

6 Mirenireny eny an-tendrombohitra rehetra eny, ny ondriko, sy eny an-kavoana milangalanga rehetra eny; tafaely any amin'ny tany rehetra ny ondriko, nefa tsy ahin'ny olona akory, na mba misy lasa nitady azy.

7 Koa mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo, ry mpiandry ondry:

8 Velona aho, - teny marin'ny Tompo Iaveh: Noho ny ondriko navela hobaboina, noho ny ondriko zary remby ho an'ny biby dia rehetra, fa tsy nisy mpiandry, sy noho ny mpiandriko tsy niahy ny ondriko, fa ny tenany ihany no fahanan'ireo mpiandry ireo, ary ny ondriko tsy mba nofahanany;

9 noho izany dia mihainoa ny tenin'ny Tompo, hianareo, ry mpiandry ondry.

10 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro ho avy any amin'ny mpiandry ondry aho; hotadiaviko ao amin'ny tànany ny ondriko, ary tsy hisy ondry havelako handrasany intsony; ary ny mpiandry tsy hamahana ny tenany intsony; hotsoahako eny am-bavany ny ondriko, ka tsy ho remby ho azony hanina intsony.

11 Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro izaho dia izaho ihany no hiahy ny ondriko, sy handinidinika azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2034