Bokin'i Ezekiela

Toko faha-37

1 Tonga tamiko ny tànan'ny Tompo ka nentin'ny Tompo nivoaka am-panahy aho, dia napetrany teo amin'ny tany lemaka feno taolana.

2 Nentiny nandeha teo akaikin'ireo manodidina azy aho. Be dia be izy ireo teo an-tampon'ity tany lemaka, sady maina dia maina. 3 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, mbola ho velona va ireo taolana ireo? Ka hoy ny navaliko azy: Iaveh Tompo ô, hianao no mahalala! 4 Dia hoy izy tamiko: Aminanio ireo taolana ireo, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'ny Tompo!

5 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh amin'ireto taolana ireto: Indro hampiditra fanahy ao aminareo aho, dia ho velona hianareo. 6 Hasiako hozatra eo aminareo, hampaniriako nofo eo aminareo, hovelarako hoditra eo amboninareo, ary hasiako fanahy ao aminareo, dia ho velona hianareo; ka ho fantatrareo fa Iaveh aho. 7 Dia naminany araka ny teny azoko aho; ka nony naminany, dia nisy feo re, dia injany zavatra mitatatata; dia nifanatona ireo taolana.

8 Nojereko ka indro fa nisy hozatra ama-nofo naniry teo ambonin'ireo ary nisy hoditra nivelatra teo ambonin'ireo ary nisy hoditra nivelatra teo ambonin'ireo; saingy tsy mbola nisy fanahy teo aminy. 9 Ary hoy izy tamiko: Maminania amin'ny fanahy; maminania, ry zanak'olona, ka lazao amin'ny fanahy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Avia, ry fanahy avy any amin'ny vazan-tany efatra; tsotsofy ireto olona voavono ireto, ary aoka ho velona izy. 10 Dia naminany araka ny nandidiany ahy aho, ka niditra tamin'ireo ny fanahy, dia velona izy, sady nitsangana tamin'ny tongony: tafika lehibe, tena lehibe indrindra. 11 Hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, ireo taolana ireo, dia ny taranak'Israely rehetra. Indreo izy ireo manao hoe: Maina ny taolanay; levona ny fanantenanay, very izahay!

12 Koa maminania, ary lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho hanokatra ny fasanareo, hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo, ry vahoakako ô, ary hitondra anareo ho eo amin'ny tanin'Israely. 13 Ary dia ho fantatrareo fa Iaveh aho, rahefa voasokatro ny fasanareo, ary tafakatra avy ao am-pasanareo hianareo, ry vahoakako. 14 Hataoko ao anatinareo ny fanahiko, dia ho velona hianareo, sady homeko fitsaharana eo amin'ny taninareo ka dia ho fantatrareo fa izaho Iaveh dia milaza sy manatanteraka koa, - teny marin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1487