Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-13

1 Tena toetra adala ny an'ny olona rehetra tsy nahalala an'Andriamanitra, ka ny soa hita maso tsy nahaizany hahalala an'Ilay misy ho azy, ary ny fandinihana ny asa nataony tsy nahaizany hahafantatra an'ilay mpanao azy.

2 Fa ny afo, ny rivotra, ny aera mihetsiketsika, ny fanilon'ny lanitra, ny faribolan'ny kintana, ny rano mirimorimo, no nataony ho Andriamanitra mitondra izao rehetra izao.

3 Raha renoky ny hatsaran-tarehin'ireo izy ka nanao ny zava-boahary ho Andriamanitra dia aoka ho fantany fa mihoatra lavitra noho ireny ny Tompo, fa ny Mpamorona ny hatsaran-tarehy no nanao an'ireny.

4 Ary raha ny hery sy ny vokatra avy aminy no igagany, aoka ho fantany amin'izany ny halehiben'ny fahefan'izay nanao an'ireny.

5 Satria ny fahamboniana sy ny fahatsaran-tarehin'ny zava-boahary, dia mampahafantatra Ilay Mpahary azy noho ny fifanahafan'izy roa tonta.

6 Nahazo tsiny kely anefa izy ireo, satria naniasia ihany angamba izy, tamin'ny fitadiavana an'Andriamanitra amam-paniriany hahita azy.

7 Mandinika ny asany izy ireo, ka izany no fototry ny fikarokarohany, ary matoky foana ny fisehoan-javatra fa aoka izany ny hatsaran-tarehin'izay hitany.

8 Amin'izany anefa tsy afa-tsiny kosa izy ireo,

9 satria, raha nahazo fahalalana ampy izy, mba hahalalany an'izao tontolo izao, dia ahoana kosa no tsy nahalalany moramora kokoa ny Tompo?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1249