Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Fahendrena

Fahendrena toko 18, 14-16,19

       <14Tamin'izay raha ilay saronan'ny fahanginana lehibe ny tany manontolo,
dia nahatratra ny antsasa-dalany ny alina faingam-pandeha iny,
       15dia niezaka avy any an-tampon'ny lanitra ny teninao mahefa ny zavatra rehetra
toy ny mpiady tsy azo ifonana, avy any amin'ny seza fiandrianany,
nankeo afovoan'ilay tany voatolotra ho amin'ny fandringanana,
       16nitondra ny didinao tsy azo ovana, toy ny sabatra maranitra;
dia teo izy nameno maty hatraiza hatraiza,
nahatakatra ny lanitra ka nijoro tamin'ny tany.
       19Fa efa nanambara izany taminy ireo nofy nampitebiteby azy
mba tsy hahafatesany tsy mahalala
izay antony namelezana azy mafy toy izany. >