Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-10

8 Ary niteny tamiko indray ilay feo reko avy any an-danitra, nanao hoe: Mandehana alao ny boky kely mivelatra eny an-tànan'ilay anjely mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy ny tany.

9 Dia nankany amin'ilay anjely aho sy nilaza taminy hanome ahy ny boky, ka hoy ny navaliny ahy: Raiso ka atelemo izy; hangidy izy ao an-kibonao, nefa ho mamy toy ny tantely eo am-bavanao. 10 Noraisiko ny boky teny an-tànan'ilay anjely, dia nateliko avokoa, ka mamy toy ny tantely izy tao am-bavako, fa nony nateliko kosa, dia tsaroako nangidy tao an-kiboko. 11 Tamin'izay dia nisy nilaza tamiko hoe: Olona maro sy firenena maro sy fiteny samihafa ary mpanjaka maro koa no tsy maintsy mbola haminanianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0566