Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-11

1 Ary nomena volotara toy ny tehina aho, dia nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, refeso ny tempolin'Andriamanitra, sy ny otely, mbamin'izay mivavaka ao.

2 Avelao anefa fa aza refesina ny efi-trano fidirana ivelan'ny tempoly, satria efa nomena ny jentily io, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efapolo volana izy. 3 Ary ny Vavolombeloko roa, dia homeko hery haminany enim-polo amby roan-jato sy arivo andro; akanjo malailay no hiakanjoany. 4 Izy ireo no fototr'oliva roa sy fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany.

5 Ka raha misy te-hanisy ratsy azy ireo, dia hisy afo mivoaka avy any am-bavany handevona ny fahavalony, ary hovonoina toy izany avokoa izay mitady hamely azy. 6 Manam-pahefana hanidy ny lanitra izy ireo, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro haminaniany; sady manam-pahefana amin'ny rano koa izy, ka mahova azy ho rà, sy hamely ny tany amin'ny loza rehetra isaky ny te-hanao izany izy. 7 Ary rahefa vita ny fanambaran'izy ireo, dia hiady aminy ilay Biby hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa, ka haharesy azy sy hahafaty azy;

8 ary ny fatiny dia hiampatra eo an-kianjan'ny tanàna lehibe izay atao amin'ny teny an'ohatra hoe: Sodoma sy Ejipta, eo amin'ilay namantsihana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana. 9 Olona samihafa firenena sy foko sy fiteny ary fanjakana no hijery ny fatiny miampatra eo, hateloan'andro sy tapany, fa tsy havelany halevina any am-pasana izy ireo.

10 Hifaly ny mponina ety ambonin'ny tany noho ny amin'izy ireo; hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo, fa nampijaly ny mponina tety an-tany ireo mpaminany roa ireo. 11 Nony afaka hateloana sy tapany anefa, dia nisy fanahin'aina avy amin'Andriamanitra, niditra tamin'ireo faty ireo, ka nijoro tamin'ny tongony izy, ary raiki-tahotra mafy izay nahita azy. 12 Sady injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao taminy hoe: Miakara aty. Dia niakatra any an-danitra tao anatin'ny rahona, sy teo anatrehan'ny fahavalony izy ireo. 13 Ary tamin'izany ora izany, dia nisy horohoron-tany mafy, ka nirodana ny ampahafolon'ny tanàna, ary olona fito arivo no matin'izany horohoron-tany izany. Raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra ny Andriamanitry ny lanitra. 14 Lasa ny loza faharoa; indro hisosoka faingana ny loza fahatelo.

15 Dia nitsoka ny trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: Lasan'ny Tompontsika sy ny Kristiny ny fanjakan'izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.

16 Tamin'izay ireo Anti-dahy efatra amby roapolo, nipetraka tamin'ny seza fiandrianany teo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka nitsaoka an'Andriamanitra,

17 nanao hoe: Misaotra anao izahay, Tompo ô, Andriamanitra tsitoha izay ankehitriny sy taloha, fa naneho ny herinao lehibe hianao, ka manjaka izao. 18 Nisarangotra ny firenena, fa tonga ny fahatezeranao, sy ny fotoana hitsarana ny maty, mba hanomezana valisoa ny mpanomponao, dia ny mpaminany, sy ny olo-masina mbamin'izay natahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hamerezana izay nanimba ny tany. 19 Dia novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka niseho teo anatin'ny tempoliny ny fiaran'ny fanekena; ary nisy tselatra sy tabataba ary kotro-baratra sy horohoron-tany mbamin'ny havandra vaventy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0994