Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-14

1 Nijery indray aho, ka indro nitsangana teo an-tendrombohitr'i Siona ny Zanak'ondry; olona efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy no nanaraka azy, ary voasoratra teo an-kandrin'ireo ny anarany sy ny anaran-dRainy.

2 Dia nandre feo avy any an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon'ny ranobe sy ny feon-kotro-baratra mafy; ary ny feony izay reko dia toy ny konsertry ny mpitendry harpa mitendry harpa. 3 Nihira toa hira vaovao izy ireo, teo anoloan'ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra ary teo anatrehan'ireo Anti-dahy; ka tsy nisy nahazo nanao izany hira izany, afa-tsy izy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy ireo, izay navotana ho afaka amin'ny tany. 4 Ireo no tsy nandoto tena tamin'ny vehivavy, fa virjiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy amin'ny olona, ho santatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry; 5 ary tsy misy lainga eo am-bavan'izy ireo, fa tsy manan-tsiny izy. 6 Dia nahita anjely anankiray hafa koa aho, nanidina teo afovoan'ny lanitra, nitondra ny Evanjely mandrakizay, hotoriny amin'ny mponina eto an-tany, dia amin'ny firenena rehetra, sy amin'ny foko aman-tsamihafa fiteny, mbamin'ny fanjakana rehetra.

7 Izao no nambarany tamin'ny feo mahery: Matahora an'Andriamanitra; omeo voninahitra izy, fa tonga ny andro fitsarany. Mitsaoha an'ilay nahary ny lanitra sy ny tany, mbamin'ny ranomasina sy ny loharano. 8 Nanaraka an'io, dia nisy anjely anankiray hafa nanao hoe: Rava, rava, Babilona lehibe, ilay nampisotro ny firenena rehetra ny divaim-pahatezerana tamin'ny fijangajangany.

9 Ary nisy anjely fahatelo nanaraka ireo koa, nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy mivavaka amin'ny Biby sy ny sariny, ka mandray ny mariny eo amin'ny handriny, na eo amin'ny tànany,

10 dia izy no hisotro ny divain'ny fahaviniran'Andriamanitra, izay naidina ao amin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy misy famahony; sady hampijalin'ny afo aman-tsolifara eo anatrehan'ny anjely masina sy ny Zanak'ondry. 11 Ary hiakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny fijalian'izy ireo, ka tsy hahita hianinana na andro na alina izay nivavaka tamin'ny Biby sy ny sariny, ary izay nandray ny mariky ny anarany. 12 Fa indro kosa ny valin'ny fandeferan'ny olo-masina, izay nitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesoa.

13 Ary nandre feo avy any an-danitra aho, nanao hoe: Soraty: Sambatra hatramin'izao ny maty izay maty ao amin'ny Tompo. Eny, hoy ny Fanahy, aoka hiala sasatra amin'ny asany izy, fa ny asany hanaraka azy. 14 Dia nijery aho, ka indro nisy rahona fotsy, ary teo amboniny nisy olona nipetraka sahala amin'ny Zanak'olona; satro-boninahitra volamena no teny an-dohany, antsy fijinjana maranitra no teny an-tànany.

15 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy ao amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery, ka nanao tamin'ilay nipetraka tambonin'ny rahona hoe: Alefaso ny antsy fijinjanao, ka mijinjà, fa tonga ny taom-pinjinjana, satria masaka ny vokatry ny tany. 16 Dia nalefan'ilay nipetraka tamin'ny rahona teny amin'ny tany ny antsy fijinjàny, ka voanjinja ny tany. 17 Nisy anjely anankiray hafa koa, nivoaka avy teo amin'ny tempoly any an-danitra, nitana antsy fijinjàna maranitra koa.

18 Dia nivoaka avy eo amin'ny otely ity anjely manam-pahefana amin'ny afo, niantso tamin'ny feo mahery, ka nilaza tamin'ilay nitana antsy fijinjàna maranitra hoe: Alefaso ny antsy fijinjànao, ka otoazy ny sampahom-boaloboka eny amin'ny tanim-boaloboky ny tany, fa efa masaka ny voany. 19 Dia nalefan'ilay anjely tany amin'ny tany ny antsy fijinjàny, ka notoazany ny voaloboky ny tany, ary natsipiny tao anatin'ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran'Andriamanitra izany. 20 Nohosena teny ivelan'ny tanàna ny famiazana, ka rà nahadifotra hatramin'ny vin-damboridin-tsoavaly no nivoaka avy ao, sy nitobaka hatramin'ny enin-jato sy arivo stady.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1333