Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-14

1 Nijery indray aho, ka indro nitsangana teo an-tendrombohitr'i Siona ny Zanak'ondry; olona efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy no nanaraka azy, ary voasoratra teo an-kandrin'ireo ny anarany sy ny anaran-dRainy.

2 Dia nandre feo avy any an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon'ny ranobe sy ny feon-kotro-baratra mafy; ary ny feony izay reko dia toy ny konsertry ny mpitendry harpa mitendry harpa. 3 Nihira toa hira vaovao izy ireo, teo anoloan'ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra ary teo anatrehan'ireo Anti-dahy; ka tsy nisy nahazo nanao izany hira izany, afa-tsy izy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy ireo, izay navotana ho afaka amin'ny tany. 4 Ireo no tsy nandoto tena tamin'ny vehivavy, fa virjiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy amin'ny olona, ho santatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry; 5 ary tsy misy lainga eo am-bavan'izy ireo, fa tsy manan-tsiny izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2904