Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-18

1 Taorian'izany, dia hitako nidina avy any an-danitra ity anjely anankiray hafa koa, nanam-pahefana lehibe, sy nanazava ny tany tamin'ny voninahiny.

2 Niantso tamin'ny feo mahery izy, nanao hoe: Rava, rava Babilona lehibe, ka tonga fonenan'ny demony, sy fitoeran'ny fanahy maloto rehetra, ary fieren'ny vorona maloto halan'ny olona rehetra! 3 Satria ny firenena rehetra nisotro ny divaim-pahatezerana noho ny fijangajangany; ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpivarotra ety an-tany nahazo harena tamin'ny filibàny amin'ny zava-mahafinaritra azy nihoa-pampana. 4 Dia nandre feo iray hafa koa avy any an-danitra aho, nanao hoe: Mihataha aminy hianareo, ry vahoakako, mba tsy hiray heloka aminy, sy tsy hiombon-doza aminy,

5 fa efa mitehika amin'ny lanitra ny fahotany, ary efa tsarovan'Andriamanitra ny haratsiany. 6 Valio araka ny asany izy, ary ataovy avo sasaka noho izay nataony; ampisotroy amin'ny kapoaka nanomezany izy, ka omeo indroa hoatra izay nampisotroiny anareo; 7 ataovy toraka ny niavonavonany sy nilibàny tamin'ny zava-mahafinaritra azy no hamafin'ny fampijaliana sy fampahoriana azy. Fa izao no hambom-pony: Mpanjakavavy aho fa tsy mpitondratena, ka lavitra ahy raha izay fisaonana! 8 Noho izany kosa, indray hiantonta aminy indray andro monja ny lozany, dia fahafatesana, fisaonana, mosary, ary fandevonan'ny afo ny tenany, satria mahery Andriamanitra izay hitsara azy. 9 Hitomany azy sy higogogogo ny mpanjakan'ny tany, izay nijanganjanga taminy, sy niara-niliba taminy tamin'ny fahafinaretan'ny nofo, rahefa mahita ny setroky ny fandoroana azy.

10 Hijanona eny lavitra eny izy ireo, fa tsiravina noho ny fijaliany, ka hanao hoe: Loza ity! loza ity! ry Babilona lehibe, ry tanàna mafy, fa ora iray monja, dia tonga ny fanamelohana anao! 11 Ny mpivarotra ety an-tany koa hitomany azy sy higogogogo, fa tsy hisy mpividy intsony ny entam-barony,

12 dia ny volamena, volafotsy, vato soa, voahangy, rongonim-bazaha, lamba volom-parasy, parasily, jaky; sy ny hazo manitra isan-karazany rehetra, ny fanaka ivoara isan-karazany rehetra, ny fanaka isan-karazany rehetra natao tamin'ny hazo saro-bidy sy ny varahina ary ny vy mbamin'ny vato sanga; 13 dia ny havozomamy, zava-manitra, menaka manitra, emboka manitra, divay, diloilo, lafarina tsara indrindra, varim-bazaha, biby manompo, ondry, soavaly, kalesy, ary ny tena aman'ain'olona. - 14 Ny voankazo nifalian'ny fonao, nanalavitra anao; ny hanim-py aman-java-tsoa rehetra, very tsy ho hitanao intsony. 15 Ny mpivarotra ireny zavatra rehetra ireny, izay nahazo harena taminy, dia hijanona eny lavitra eny, fa tsiravina noho ny fijaliany, ka hitomany sy hiferin'aina hoe:

16 Loza ity! loza ity! ry ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika, sy lamba volom-parasy ary jaky, sady niravaka volamena sy vatosoa mbamin'ny voahangy; kanjo ora iray monja lahy, dia levona izany harem-bevava izany! 17 Ary ny mpitondra sambo rehetra, sy izay rehetra mandeha eny ambony ranomasina, mbamin'ny matilò sy izay rehetra manan-draharaha amin'ny ranomasina, dia nijanona eny lavitra eny koa,

18 ka niantsoantso nahita ny setroky ny fandoroana azay, nanao hoe: Aiza intsony no hahita tahaka izany tanàna lehibe izany? 19 Sady nanisy vovoka ny lohany izy ireo no nitomany sy nigogogogo, nanao hoe: Loza ity! loza ity! fa ilay tanàna lehibe, nampanan-karena ny nanan-tsambo rehetra teny amin'ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy lahy, ka levona ora iray monja! 20 Mifalia noho ny nanjò azy hianao, ry lanitra, sy hianareo olo-masina, mbaminareo apostoly sy mpaminany koa, fa fanomezan-drariny anareo no nanamelohan'Andriamanitra azy.

21 Tamin'izay dia nisy anjely anankiray, naka vato hoatra ny vato lehibe fikosohan-dafarina, ka nanipy azy tany anaty ranomasina, nanao hoe: Hazera tampoka hoatra izany i Babilona tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony!

22 Dia tsy ho re ao aminao intsony ny feon'ny mpitendry harpa, sy ny mpitsoka mozika, mbamin'ny mpitsoka sodina sy trompetra. Ny mpanao taozavatra rehetra tsy ho hita eo aminao intsony, ary ny feon'ny vato fikosohan-dafarina tsy ho re ao intsony koa. 23 Ny fahazavan'ny jiro tsy hamirapiratra ao aminao intsony, ary ny feon'ny mpampakatra sy ampakarina tsy ho re ao aminao intsony; satria ny mpandrantonao dia lehiben'ny tany, ary ny ody fandrebirebenao no nampivily ny firenena rehetra. 24 Tao anatin'io tanàna io koa no nahitana ny ràn'ny mpaminany sy ny olo-masina, mbamin'izay rehetra novonoina tety ambonin'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0509