Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-19

1 Rahefa izany, dia nisy hoatra ny feom-bahoaka betsaka tany an-danitra, reko nanao hoe: Aleloia! An'Andriamanitra ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery,

2 fa marina sy mahitsy ny fitsarany, satria izy nanameloka ilay Vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin'ny fijangajangany, sy namely an'io noho ny ran'ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany. 3 Dia naverin'izy ireo fanindroany indray ny hoe: Aleloia! Ary niakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny tanàna. 4 Tamin'izany ny Anti-dahy efatra amby roapolo sy ny Zava-manana aina efatra dia niankohoka nitsaoka an'Andriamanitra, nanao hoe: Amena! Aleloia!

5 Dia nisy koa feo nivoaka avy ao amin'ny seza fiandrianana nanao hoe: Miderà an'Andriamanitra hianareo mpanompony rehetra, sy hianareo matahotra azy rehetra, na kely na lehibe.

6 Ary nisy hoatra ny feon'olona maro be, sy tahaka ny firohondrohon'ny ranobe, ary sahala amin'ny fikotrokotroky ny kotro-baratra mafy, reko nanao hoe: Aleloia! fa ny Tompo Andriamanitsika tsitoha no manjaka.

7 Mifalia sy miravoravoa isika, ary manomeza voninahitra azy, fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry, ary efa voahaingo ny Vadiny; 8 rongonim-bazaha madinika fotsy mamirapiratra no nomena hitafiany, dia ny asa soan'ny olo-masina izany. 9 Dia hoy ilay anjely tamiko: Soraty: Sambatra izay nasaina ho amin'ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Sady nampiany hoe: Tena tenin'Andriamanitra marina tokoa ireo teny ireo.

10 Dia nidaboka tamin'ny tongony aho, mba hiankohoka aminy, nefa hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho sy naman'ny rahalahinao izay manana ny fanambaran'i Jesoa. Andriamanitra no iankohofy. Fa mifanaraka ny fanambaran'i Jesoa sy ny fanahin'ny faminaniana. 11 Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; i Mahatoky sy Marina no anaran'ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaran'ny iadiany;

12 tahaka ny lelafo ny masony, ary satro-boninahitra maro no teny an-dohany; nisy anarana voasoratra teny aminy, izay tsy nisy nahalala afa-tsy izy irery; 13 akanjo nipentina rà no niakanjoany, ary NY TENIN'ANDRIAMANITRA no anarany; 14 nanaraka azy ny tafiky ny lanitra, soavaly fotsy no nitaingenan'ireo ary rongonim-bazaha fotsy madio no nitafiny; 15 nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin'ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra tsitoha; 16 izao no anarany voasoratra tamin'ny lambany sy ny feny: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO. 17 Ary indro hitako nisy anjely anankiray nitsangana teo amin'ny masoandro, niantso ny voro-manidina rehetra teo amin'ny habakabaky ny lanitra, ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Avia, mivoria hianareo ho amin'ny fihinanam-ben'Andriamanitra,

18 mba hihinana ny nofon'ny mpanjaka, ny nofon'ny tompon'arivo, ny nofon'ny olo-mahery, ny nofon'ny soavaly mbamin'ny mpitaingina azy, sy ny nofon'ny olona rehetra, na andevo na olom-potsy, na kely na lehibe. 19 Dia hitako fa nivory ny Biby sy ny mpanjakan'ny tany mbamin'ny tafiny, mba hiady amin'ilay nitaingina ny soavaly sy amin'ny tafiny.

20 Voasambotra ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, izay nanao fahagagana teo anatrehany mba hoentiny mamitaka ireo nandray ny mariky ny Biby sy nivavaka tamin'ny sariny, ka indray natsipy velona tany amin'ny farihy mirehitra afon-tsolifara; 21 ary ny olona sisa dia matin'ny sabatra nivoaka avy ao am-bavan'ilay nitaingina ny soavaly, ka vokin'ny nofony ny vorona rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2645