Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-20

1 Ary nahita anjely anankiray nidina avy any an-danitra aho, izay nitàna ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy rojo vy lehibe anankiray teny an-tànany.

2 Nosamborin'izy io ny Dragona, ilay menarana antitra, dia ny demony sy i Satana, ka nafatony arivo taona, 3 dia nazerany tao amin'ny lavaka tsy hita noanoa, ary nohidiany tao sy nasiany tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa rahefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely indray izy aloha. 4 Dia nahita seza fiandrianana maro aho, izay nipetrahan'olona nahazo fahefana hitsara, sy nahita ny fanahin'ireo notapahin-doha noho ny fanambaran'i Jesoa sy noho ny tenin'Andriamanitra, mbamin'ny an'ireo tsy nivavaka tamin'ny Biby na tamin'ny sariny, sy tsy nandray ny mariny na tamin'ny handriny, na tamin'ny tànany, fa efa velona ireo ka niara-nanjaka arivo taona tamin'ny Kristy.

5 Ny maty sisa kosa dia mbola tsy velona, raha tsy efa tapitra ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany amin'ny maty. 6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany! Tsy mba hanam-pahefana amin'izy ireo ny fahafatesana faharoa, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy ny Kristy izy, ka hiara-manjaka aminy arivo taona. 7 Rahefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana hiala amin'ny tranomaizina i Satana, ka hivoaka hamitaka ny firenena amin'ny vazan-tany efatra, dia i Goga sy Magoga, izay hoatra ny fasiky ny ranomasina ny isany, mba hamory azy ho amin'ny ady.

8 Dia niakatra tamin'ny tany izy ireo, ka nanodidina ny tobin'ny olo-masina sy ny tanàna malala. 9 Kanjo nisy afo nampidinin'Andriamanitra avy any an-danitra kosa, ka nandevona azy ireo; ary ny demony izay namitaka azy koa nazera any amin'ny farihy afo aman-tsolifara, 10 itoeran'ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, sy hijalian'izy ireo andro aman'alina mandrakizay mandrakizay. 11 Rahefa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;

12 ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana. Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ka notsaraina araka izay voasoratra tamin'ireo boky ireo, manaraka ny asany avy, ny maty rehetra. 13 Ny ranomasina namoaka ny maty tao aminy; ny Fahafatesana sy ny Fonenan'ny maty koa namoaka ny azy, dia samy notsaraina araka ny asany avy izy. 14 Ary ny fahafatesana sy ny afobe dia natsipy tany amin'ny farihy afo: - izany no fahafatesana faharoa: ny farihy afo. 15 Ka izay rehetra tsy voasoratra tao amin'ny bokin'ny fiainana dia natsipy tany amin'ny farihy afo avokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0975