Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-7

1 Taorian'izany, nahita Anjely efatra aho, nitsangana tamin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany mba tsy hisy rivotra hitsoka, na amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo iray akory.

2 Dia nahita anjely iray hafa koa aho, niakatra avy amin'ny fiposahan'ny masoandro, nitana ny fitombok'Andriamanitra velona, ary niantso mafy an'ireo anjely efatra nasaina hanimba ny tany aman-dranomasina,

3 nanao hoe: Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo, mandra-panisinay fitomboka eo amin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika. 4 Ary reko ny isan'izay voaisy fitomboka tamin'ny fokon'Israely rehetra, ka efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy izy: 5 dia roa arivo sy iray alina voaisy fitomboka avy amin'ny fokon'i Robena; roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Gada; 6 roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Asera; roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Neftalì; roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Manase; 7 roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Simeona; roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Levì; roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'Isakara; 8 roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Zabolona; roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Josefa, ary roa arivo sy iray alina avy amin'ny fokon'i Benjamina no voaisy fitomboka. 9 Nanaraka izany, dia nahita vahoaka be tsy azon'olona isaina aho, avy amin'ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin'ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy ny Zanak'ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia.

10 Niantso tamin'ny feo mahery izy ireo nanao hoe: An'Andriamanitra izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana, sy ny Zanak'ondry ny famonjena! 11 Dia nitsangana nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo Anti-dahy ary ny Zava-manana aina efatra ny anjely rehetra, ka niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana, nitsaoka an'Andriamanitra, 12 nanao hoe: Amena! An'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay ny dera amam-boninahitra, ny fahendrena amam-pankasitrahana, ny haja amam-pahefana, ary ny hery! 13 Tamin'izay, ny iray tamin'ireo Anti-dahy nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo fotsy, ary avy aiza no nihaviany?

14 Dia hoy ny navaliko azy: Hianao no mahalala, Tompoko. Ary hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin'ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin'ny ran'ny Zanak'ondry. 15 Koa indreo izy eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, namompo azy andro aman'alina ao an-tempoliny, ary hamponenin'ilay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana ao an-tranony. 16 Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy hampaninona azy na hainandro na zava-mandoro hafa. 17 Fa ny Zanak'ondry, izay mipetraka eo afovoan'ny seza fiandrianana, no ho Mpiandry azy, sy hitondra azy ho amin'ny loharanon'aina, ary Andriamanitra no hamaoka ny ranomaso rehetra amin'ny masony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0379