Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-9

1 Dia nitsoka ny trompetra ny anjely fahadimy, ka hitako kintana anankiray avy any an-danitra, nilatsaka tety an-tany; nomena azy io ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa.

2 Dia nosokafany ny lavaka tsy hita noanoa, ka setroka toy ny avy amin'ny memy lehibe no nipololotra avy any; maizin'ny setroka avy any an-davaka tery ny masoandro sy ny habakabaka. 3 Io setroka io indray, namoaka valala niely tety an-tany, sady nomena hery toy ny an'ny maingoka ety an-tany ireo, 4 ary norarana tsy hanimba ny ahitra amin'ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo, fa ny olona tsy manana ny fitombok'Andriamanitra teo an-kandriny ihany. 5 Tsy ny hamono azy anefa, fa ny hampanaintaina azy dimy volana no nasaina nataon'izy ireo, ary fanaintainana toy ny an'ny olona kekerin'ny maingoka no hafitsony azy; 6 ka hitady ny fahafatesana ny olona amin'izany andro izany, fa tsy hahita azy; ary haniry ny ho faty izy, fa handositra azy ny fahafatesana. 7 Ireo valala ireo dia nanahaka ny soavaly vonon-kiady; satro-boninahitra toa volamena no teny an-dohany; sahala amin'ny tavan'olona ny tavany;

8 tahaka ny volom-behivavy ny volony; ary mitovy amin'ny nifin-diona ny nifiny. 9 Ny fiarovan-tratran'izy ireo dia toy ny akanjo vy; ny fikopakopaky ny elany, sahala amin'ny fikotrokotroky ny kalesy tarihin-tsoavaly maro miriotra hiady; 10 ny rambony tahaka ny an'ny maingoka, sady nisy fitsindrona, ary ny rambony no nanan-kery hampanaintaina ny olona dimy volana. 11 Ny mpanjaka filohan'izy ireo, dia anjelin'ny lavaka tsy hita noanoa, izay atao hoe Abadona amin'ny teny hebrio, ary Apoliona amin'ny teny greka. 12 Lasa izay ny loza voalohany; fa indro hisosoka koa ny loza roa sisa.

13 Dia nitsoka ny trompetra ny anjely fahenina, ka inay nisy feo reko nivoaka avy tamin'ny zoro efatry ny otely volamena eo anatrehan'Andriamanitra,

14 nilaza tamin'ny anjely fahenina nitana ny trompetra hoe: Vahao ny anjely efatra mifatotra any Eofrata ony lehibe. 15 Dia novahana ireo anjely efatra izay efa voaoman-drahateo ho amin'ny ora sy andro ary volana sy taona voatendry, hamono ny ampahatelon'ny olona; 16 ary roanjato tapitrisa no isan'ny miaramila an-tsoavaly; fa nahare ny isany aho. 17 Ary toy izao no nahitako ny soavaly sy ny mpitaingina azy, tamin'ny fahitana: nivolon'afo sy hiasinta ary solifara ny fiarovan-tratran'ny mpitaingina azy, nilohan-diona ny lohan'ny soavaly, sady nivoaka afo aman-tsetroka sy solifara ny vavany. 18 Ary ireo loza telo nivoaka tamin'ny vavany ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara, no nahafaty ny ampahatelon'ny olona; 19 fa amin'ny vavany sy ny rambony no misy ny herin'ny soavaly, satria toy ny menarana ny rambony sady manan-doha ka amin'izany no amelezany. 20 Tsy nibebaka hiala amin'ny asan-tànany anefa ny olona sisa tsy matin'ireo loza ireo, mba tsy hivavahany amin'ny demony sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina ary vato aman-kazo, izay mahajery na mahare na afa-mamindra akory;

21 tsy nisy nibebahany koa na ny vonoan'olona, na ny ody mahery, na ny fijangajangana, na ny halatra nataon'izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0493