Ny Fanisana

Toko faha-14

1 Dia nanandra-peo nikiakiaka ny fiangonana rehetra, ka nitomany ny vahoaka nandritra iny alina iny.

2 Nimonomonona tamin'i Moizy sy Aarona ny zanak'Israely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra tamin'izy ireo: Inay anie izahay maty tany an-tany Ejipta, na inay anie izahay maty aty amin'ity efitra ity. 3 Nahoana no dia nentin'ny Tompo amin'ity tany ity isika, ka ho lavon-tsabatra? Ary ny vady aman-janatsika holasan-ko babo. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta? 4 Dia nifampilaza hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika, ka hiverina any Ejipta. 5 Nidaboka niankohoka teo anatrehan'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra tafavory Moizy sy Aarona.

6 Nandritra ny fitafiany Josoe, zanak'i Nòna, sy Kaleba, zanak'i Jefone, anisan'ireo nisafo ny tany, 7 ary niteny toy izao tamin'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra izy ireo: Tany tsara indrindra ny tany notetezinay nosafoina. 8 Raha ankasitrahan'ny Tompo isika, dia hampiditra antsika amin'izany tany izany izany izy sy hanome azy antsika; tany tondra-dronono aman-tantely izany. 9 Fa aza miodina amin'ny Tompo kosa hianareo, ary aza matahotra ny olona amin'izany tany izany, fa ho fihinana ho antsika izy ireo; ny fialofan'izy ireo efa niala taminy, ary isika omban'ny Tompo, ka aza matahotra azy ireo. 10 Raha ilay niteniteny ny hitora-bato an'ireo iny ny fiangonana rehetra dia indro ny voninahitry ny Tompo niseho teo amin'ny trano lay fihaonana, teo imason'ny zanak'Israely rehetra. 11 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mandra-pahoviana no haniratsiran'ity vahoaka ity ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany?

12 Hasiako amin'ny pesta sy hofongorako izy, ary hianao, dia hataoko firenena lehibe sy mahery lavitra noho izy. 13 Fa hoy Moizy tamin'ny Tompo: Efa ren'ny Ejipsianina, fa ny herinao no nitondranao ity vahoaka ity niakatra avy tany afovoany; ary efa nolazainy tamin'ny mponina amin'ity tany ity izany.

14 Efa ren'izy ireo, fa hianao Iaveh no eo afovoan'ity vahoaka ity, hianao Iaveh no miseho mifanatrika ao; ary ny rahonao no mijanona eo amboniny. Hianao no mandeha eo alohany, amin'ny andry rahona, ny antoandro, ary amin'ny andry afo, ny alina. 15 Koa raha vonoinao toy ny singan'olona ity vahoaka ity, ny firenena izay nandre filazana momba anao dia hanao hoe: 16 Tsy zakan'ny Tompo ny nampiditra iny vahoaka iny amin'ny tany efa nianianany homena azy, ka izany no namonoany azy tany an'efitra. 17 Koa ankehitriny, aoka hiseho ho lehibe ny fahefan'ny Tompo, araka ilay voalazanao hoe: 18 Ela vao mitezitra Iaveh, ary sesehena ny hatsaram-pony: mamela ny heloka sy ny fahotana izy, nefa tsy ataony ho tsy manan-tsiny ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka, hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra. 19 Avelao ny helok'ity vahoaka ity, araka ny halehiben'ny famindramponao toy ny efa namelanao an'ity vahoaka ity, hatrany Ejipta ka hatr'eto! 20 Ary hoy Iaveh: Mamela araka ny hatakao aho;

21 kanefa velona aho, ary ho feno ny voninahitry ny Tompo ny tany rehetra! 22 Ka ireo olona rehetra nahita ny voninahitro amam-pahagagana nataoko tany Ejipta sy tany an'efitra; ireo izay efa naka fanahy ahy impolo sahady, sady tsy nihaino ny feoko, 23 dia tsy hahita mihitsy ny tany nampanantenaiko ny razany tamim-pianianana. Tsy misy hahita izany ireo naniratsira ahy ireo. 24 Fa i Kaleba mpanompoko kosa, izay nanana hevitra hafa, ary niraikitra tsy nivadika tamiko, dia hampidiriko any amin'ny tany efa nalehany, ary hanana izany ny taranany. 25 Ny Amalesita sy ny Kananeana no monina amin'ny lohasaha; koa rahampitso mihodìna hianareo ary miaingà ho any an'efitra amin'ny làlan'ny ranomasina Mena. 26 Niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe:

27 Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy mimonomonona amiko ity? Reko ny fimonomononana ataon'ny zanak'Israely amiko. 28 Lazao amin'izy ireo hoe: Velona aho, hoy Iaveh; hataoko aminareo izay noteneninareo tamin'ny sofiko. 29 Hiampatrampatra amin'ity efitra ity ny fatinareo. Hianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa, ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko, 30 dia tsy hisy hiditra amin'ny tany izay nianianako fa hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoe zanak'i Nòna. 31 Fa ny zanakareo, izay nolazainareo hoe ho lasan-ko babo, no hampidiriko any; dia izy ireo no hahalala ny tany izay nataonareo tsinontsinona. 32 Ny anareo kosa, dia ny fatinareo no hiampatrampatra any an'efitra, 33 ary ny zanakareo hiroaka ny biby fiompy any an'efitra, mandritra ny efapolo taona, fa hivesatra ny valin'ny fivadihanareo izy mandra-pahalevona ny fatinareo rehetra aty an'efitra. 34 Araka ny efapolo andro nisafoanareo ny tany - fa soloana taona iray ny andro iray, - no hivesaranareo efapolo taona ny hadisoanareo, ka dia ho hitanareo izany hoe fihatahako aminareo. 35 Izany no teniko, izaho Iaveh. Izany no ataoko amin'ity fiangonana ratsy izay niodina tamiko. Ho levona aty an'efitra aty izy, ho faty aty. 36 Ireo lehilahy nirahin'i Moizy hisafo ny tany, ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra taminy nony tafaverina, fa nanao laza ratsy ny tany,

37 ireo lehilahy ireo izay nanao laza ratsy ny tany dia maty voan'ny loza teo anatrehan'ny Tompo. 38 Josoe zanak'i Nòna sy Kaleba zanak'i Jefone ihany no velona tamin'ireo lehilahy nisafo ny tany. 39 Dia nolazain'i Moizy tamin'ny zanak'Israely rehetra izany teny izany, ka safotr'alahelo mafy ny vahoaka.

40 Nifoha maraina koa izy ireo, ka niakatra tany an-tampon'ny tendrombohitra, ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra any amin'ny fitoerana voalazan'ny Tompo, fa efa nanota izahay. 41 Hoy Moizy: Nahoana hianareo no mandika ny didin'ny Tompo? Tsy hahomby hianareo amin'izany. 42 Aza miakatra, fa tsy eo afovoanareo Iaveh, ka aza mitolo-batana ho resin'ny fahavalonareo. 43 Eo anoloanareo eo ny Amalesita sy ny Kananeana, ka ho lavon'ny sabatra hianareo, satria nivily tsy hanaraka an'ny Tompo hianareo, ka tsy homba anareo Iaveh. 44 Nanao ditra niakatra teo an-tampon'ny tendrombohitra ihany izy ireo, nefa ny fiaran'ny faneken'ny Tompo ary Moizy tsy niala teo afovoan'ny toby; 45 ka nirotsahan'ny Amalesita sy ny Kananeana izay nonina tamin'izany tendrombohitra izany izy, dia nasiany sy nataony lambam-bary hatrany Hormà.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0934