Ny Fanisana

Toko faha-17

1 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Ilazao Eleazara, zanak'i Aarona mpisorona, hanala ny fanembohana eny amin'ny may sy hanely ny afo any lavitra any, fa zava-masina ireny. 3 Aoka ny fanembohan'ireo olona nanota nihatra amin'ny ainy ireo hofisahina ho takelaka manify mba handrakofana ny otely, fa efa naterina teo anatrehan'ny Tompo ireny, ka tonga zava-masina; dia ho famantarana ho an'ny zanak'Israely izany. 4 Dia nalain'i Eleazara mpisorona ny fanembohana varahina naterin'ireo olona levon'ny afo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny otely. 5 Fahatsiarovana ho an'ny zanak'Israely izany, mba tsy hisy olon-kafa, tsy anisan'ny taranak'i Aarona handroso hanatitra zava-manitra eo anatrehan'ny Tompo, ka dia ho tahaka an'i Kore sy ny tariny, araka izay nolazain'ny Tompo taminy, tamin'ny alalan'i Moizy. 6 Nony ampitso dia nimonomonona tamin'i Moizy sy Aarona ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny vahoakan'ny Tompo.

7 Fa raha ilay nivory hanohitra an'i Moizy sy Aarona iny ny fiangonana, dia nitodika ny trano lay fihaonana Moizy sy Aarona, ka indro fa nanarona an'io ny rahona ary ny voninahitry ny Tompo niseho. 8 Nandroso teo anoloan'ny trano lay fihaonana Moizy sy Aarona, 9 ka niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 10 Mialà hianareo eo afovoan'ity fiangonana ity, handringanako azy indray mihelina. Dia niankohoka tamin'ny tany izy. 11 Ary hoy Moizy tamin'i Aarona: Alao ny fanembohana ary asio afo avy eo ambonin'ny otely, asio zava-manitra, ka mandehana faingana ho eo amin'ny fiangonana, dia manaova ny fanonerana ho azy ireo, fa efa nivoaka avy eo anatrehan'ny Tompo ny fahatezerana, ary efa manomboka ny loza. 12 Nalain'i Aarona araka ny voalazan'i Moizy ny fanembohana, ka nihazakazaka nankeo afovoan'ny fiangonana izy; ary indro, efa nanomboka ny loza eo amin'ny vahoaka. Dia nasiany zava-manitra ny fanembohana, ka nataony ny fanonerana ho an'ny vahoaka. 13 Nijanona teo anelanelan'ny maty sy ny velona izy, dia nitsahatra ny loza. 14 Fiton-jato sy efatra arivo sy iray alina, no matin'io loza io, afa-tsy ireo maty noho ny amin'i Kore. 15 Dia niverina nankeo amin'i Moizy teo anoloan'ny trano lay fihaonana Aarona ary efa nitsahatra ny loza. 16 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

17 Mitenena amin'ny zanak'Israely, ary angalao tehina izy ireo, dia tehina iray avy isam-pokom-pianakaviany, dia tehina roa ambin'ny folo. Samy soraty amin'ny tehina ny anarany tsirairay avy. 18 Ny anaran'i Aarona no soraty amin'ny tehin'i Levì, fa ho iray ny tehina isam-pilohan'ny fokom-pianakaviany avy. 19 Dia hapetrakao ao an-trano lay fihaonana ireo, eo anoloan'ny vavolombelona, izay ihaonako aminareo. 20 Izay lehilahy tompon'ny tehina hamony, dia izy no hofidiko, ka dia hampanginiko ny fimonomononan'ny zanak'Israely aminareo eo anatrehako. 21 Niteny tamin'ny zanak'Israely Moizy, ka nanatitra tehina iray taminy ny filohany rehetra, tehina iray isam-pilohany, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia tehina roa ambin'ny folo izany, ary ny tehin'i Aarona dia teo afovoan'ny tehin'izy ireo.

22 Napetrak'i Moizy teo anatrehan'ny Tompo ny tehina, tao an-trano lay fihaonana. 23 Nony ampitso, niverina tao an-trano lain'ny vavolombelona Moizy, ka indro fa ny tehin'i Aarona, dia naniry vony ho an'ny fokon'i Levì, naniriam-bokony sy nivelaram-bony ary namoazana amandy. 24 Nentin'i Moizy avy teo anatrehan'ny Tompo ny tehina rehetra ho eo amin'ny zanak'Israely rehetra, dia nahita izany izy ireo, ka samy naka ny tehiny avy. 25 Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Avereno ho eo anoloan'ny vavolombelona ny tehin'i Aarona, hotehirizina ho famantarana ho an'ny zanaky ny fikomiana, mba hampitsaharanao ny fimonomononan'izy ireo eo anatrehako, mba tsy ho faty izy.

26 Dia nataon'i Moizy izany, nataony araka ny nandidian'ny Tompo azy. 27 Hoy ny zanak'Israely tamin'i Moizy: Indro fa maty izahay, ringana izahay, ringana avokoa izahay rehetra. 28 Fa maty izay rehetra manakaiky ny Fonenan'ny Tompo, ka dia ho faty avokoa izany izahay?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0517