Ny Fanisana

Toko faha-20

1 Tonga tao amin'ny efitra Sina, tamin'ny volana voalohany, ny zanak'Israely, dia ny fiangonana rehetra, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka. Tao no nahafatesan'i Maria sy nandevenana azy.

2 Noho ny tsy fisian'ny rano ho an'ny fiangonana, dia nivory hiodina amin'i Moizy sy Aarona izy ireo.

3 Nifanditra tamin'i Moizy ny vahoaka, ka nanao hoe: Inay anie izahay mba maty, tamin'ny nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'ny Tompo! 4 Ahoana re no dia nitondranareo ny fiangonan'ny Tompo amin'ity efitra ity, mba hahafatesanay ato, izahay sy ny biby fiompinay? 5 Ahoana no dia nitondranareo anay niakatra avy tany Ejipta hankaty amin'itony fitoerana ratsy itony? Tsy mba tany azo hamafazana, tsy misy aviavy, na voaloboka, na ampongabendanitra, na rano hosotroina akory. 6 Dia niala teo amin'ny fiangonana Moizy sy Aarona, nankeo am-baravaran'ny trano lay fihaonana. Nidaboka niankohoka izy ireo, dia niseho taminy ny voninahitry ny Tompo. 7 Niteny tamin'i Moizy Iaveh, nanao hoe:

8 Alao ny tehina, ka vorionao sy Aarona, rahalahinao, ny fiangonana. Eo anatrehan'izy ireo hianareo, dia hiteny amin'ny vatolampy, mba hampiboiboika ny ranony izy, ka dia hampivoaka rano avy amin'ny vatolampy ho azy ireo hianao, ary hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny. 9 Dia nalain'i Moizy, araka ny nandidian'ny Tompo azy, ny tehina izay teo anatrehan'ny Tompo. 10 Manaraka izany novorin'i Moizy sy Aarona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana, ka hoy Moizy tamin'izy ireo: Mihainoa, ry mpiodina: hampivoaka rano ho anareo amin'ity vatolampy ity va izahay? 11 Dia naingain'i Moizy ny tànany, ary nokapohiny indroa tamin'ny tehina ny vatolampy, ka niboika be dia be ny rano, dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny. 12 Fa hoy Iaveh tamin'i Moizy sy Aarona: Noho hianareo tsy nino ahy, mba hanamasina ahy, eo imason'ny zanak'Israely, dia tsy hampiditra ity fiangonana ity any amin'ny tany izay omeko azy hianareo. 13 Izany no ranon'i Meribà izay nilan'ny zanak'Israely ady tamin'ny Tompo, ka nanamasin-tena tamin'izy ireo izy.

14 Avy ao Kadesy no nandefasan'i Moizy iraka tamin'ny mpanjakan'i Edoma, hilaza aminy hoe: Izao no lazain'Israely, rahalahinao: Fantatrao ny fahoriana rehetra niaretanay.

15 Nidina tany Ejipta ny razanay, ary nitoetra tany ela izahay, fa samy nampahorin'ny Ejipsiana, na izahay na ny razanay. 16 Dia nitaraina tamin'ny Tompo izahay, ary nihaino ny feonay izy; naniraka anjely izy ary nitondra anay nivoaka tany Ejipta. Ary indreto izahay izao dia eto Kadesy, tanàna amin'ny faritry ny taninao. 17 Koa mihanta aminao, mba avelao izahay hamaky ny taninao, fa tsy handeha hamaky ny saha izahay, na ny tanim-boaloboka, ary tsy hisotro ny rano amin'ny fantsakana; hizotra amin'ny làlan'andriana izahay fa tsy hivily ho amin'ny an-kavanana, na ho amin'ny an-kavia, mandra-pahafakay ny faritaninao. 18 Hoy Edoma taminy: Tsy handalo aty amiko hianao, fa raha tsy izany, hivoaka hitsena anao amin'ny sabatra aho. 19 Dia hoy ny zanak'Israely taminy: Ny làlambe ihany no hiakaranay, ary raha misotro ny ranonao izahay, na izaho na ny biby fiompiko, dia hefaiko ny vidin'izany. Zavatra tsy mampaninona akory izany, fa handalo mandeha tongotra fotsiny ihany aho. 20 Hoy ny navaliny: Tsy handalo hianao. Sady nivoaka hitsena azy Edoma, nombam-bahoaka be sy tafika mahery. 21 Nolavin'i Edoma tsy handalo ny faritaniny Israely, ka dia nivily niala taminy Israely. 22 Niala tao Kadesy ny zanak'Israely, ny fiangonana manontolo, dia tonga tao an-tendrombohitra Hora.

23 Hoy Iaveh tamin'i Moizy sy Aarona tao an-tendrombohitra Hora, amin'ny faritry ny tanin'i Edoma: 24 Efa hakambana amin'ny razany Aarona, fa tsy hiditra any amin'ny tany omeko ny zanak'Israely izy, satria nandà ny teniko hianareo, tao amin'ny ranon'i Meribà. 25 Alao Aarona sy Eleazara zanany, ary ento miakatra any an-tendrombohitra Hora izy. 26 Dia esory amin'i Aarona ny fanamiany ka atafio an'i Eleazara zanany. Fa ao Aarona no horaisina sy ho faty. 27 Nataon'i Moizy izay nandidian'ny Tompo: niakatra tany an-tendrombohitra Hora teo imason'ny fiangonana rehetra izy ireo; 28 ka nony efa nalain'i Moizy ny fanamian'i Aarona, dia natafiny an'i Eleazara zanany. 29 Ary Aarona dia maty tao an-tampon'ny tendrombohitra. 30 Hitan'ny fiangonana rehetra, fa maty Aarona, dia nitomany an'i Aarona telopolo andro ny fianakavian'Israely rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721