Ny Fanisana

Toko faha-24

1 Hitan'i Balaama fa ny hitso-drano an'Israely no sitra'Iaveh ka tsy nandeha hizaha famantarana avy amin'ny fanandroana toy ny teo intsony izy, fa natodiny ny tavany hanatrika ny efitra.

2 Ary nony natopiny ny masony, dia nahita an'Israely nitoby isam-pokony izy, ary notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra izy, 3 ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: Faminanian'i Balaama zanak'i Beora; Faminanian'ny lehilahy voakimpy ny masony; 4 Faminanian'ilay mandre ny tenin'Andriamanitra, Izay mibanjina ny fahitana avy amin'ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony:

5 Endrey ity hatsaran'ny lainao, ry Jakoba! Ary izato fonenanao, ry Israely!

6 Midadasika toa lohasaha, Tahaka ny zaridaina amoron'ny ony, Tahaka ny aloesy nambolen'ny Tompo, Tahaka ny sedera amoron-drano!

7 Mitobaka ny rano amin'ny sininy roa, Ny taranany mitombo eo amoron'ny rano be dia be; Ny mpanjakany misandratra ambonin'i Agaga, Ary ny fanjakany mandroso voninahitra.

8 Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy, Ary nomeny azy ny herin'ny ombimanga. Mandevona ny firenena miady aminy izy, Manapaka ny taolany Sy mandripaka azy amin'ny zana-tsipìkany.

9 Manongalika izy ary mandry toy ny liona, Toy ny liom-bavy, ka zovy no hampifoha azy? Hohasoavina anie izay hitso-drano anao! Hovoaozona anie izay hanozona anao!

10 Dia nirehitra tamin'i Balaama ny fahatezeran'i Balàka, ka niteha-tànana izy; ary hoy Balàka tamin'i Balaama hoe: Ny hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo ny mitso-drano azy ihany kosa no nataonao efa intelo izao.

11 Koa ankehitriny mandosira any aminao. Efa nilaza hanome voninahitra anao be dia be aho, fa indro kosa ampanalavirin'ny Tompo anao ny voninahitra. 12 Hoy ny navalin'i Balaama an'i Balàka: Tsy efa voalazako tamin'ny iraka nalefanao tany amiko va, fa hoe: 13 Na dia homen'i Balàka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy hahazo mandika ny tenin'ny Tompo, ka hanao na inona na inona, na soa na ratsy amin'ny nahim-poko, fa izay holazain'ny Tompo ihany no holazaiko. 14 Ary indro handeha ho any amin'ny fireneko aho izao; koa etsy hianao, hilazako rahateo izay hataon'ity vahoaka ity amin'ny vahoakanao, any aoriana any. 15 Dia nilaza ny lahateniny Balaama ka nanao hoe: Faminanian'i Balaama zanak'i Beora, Faminanian'ny lehilahy voakimpy ny masony, 16 Faminanian'ilay mandre ny tenin'Andriamanitra, Izay mahalala ny fahaizan'ny Avo indrindra, Izay mibanjina ny fahitan'ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony:

17 Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin'i Jakoba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin'Israely. Mandrava an'i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.

18 Edoma dia lasan-ko fananany: Fa Israely manampatra ny herim-pony.

19 Misy mpanapaka avy amin'i Jakoba, Ka haringany eny an-tanàna ny sisa tavela.

20 Dia nahita an'i Amaleka Balaama ka nilaza lahateniny nanao hoe: Amaleka no voalohany amin'ny firenena, Fa ho lany ringana no hiafarany.

21 Nahita ny Kineana Balaama, ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: Mafy orina ny fonenanao, Voapetraka ambonin'ny vatolampy ny akaninao;

22 Nefa handroso hihalevona ny Kineana; Ambara-pahoviana? Hoentin'i Asora babo izy.

23 Dia nilaza ny lahateniny Balaama nanao hoe: Indrisy! zovy no ho velona rahefa hanao izany Andriamanitra? Misy sambo avy any Sitima, 24 Mampahory an'i Asora, mampahory an'i Hebera, Fa efa raikitra fa ho ringana koa izy. 25 Dia niainga Balaama ary nandeha ka niverina ho any aminy. Ary Balàka koa dia mba lasa nandeha.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1143