Ny Fanisana

Toko faha-26

1 Taorian'izany loza izany, dia niteny tamin'i Moizy sy Eleazara zanak'i Aarona mpisorona Iaveh nanao hoe:

2 Alao isa ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana amin'Israely. 3 Dia nilaza tamin'ny olona Moizy sy Eleazara mpisorona, tao amin'ny tany lemak'i Moaba, akaikin'i Jordany, tandrifin'i Jerikao, ka nanao hoe: 4 Hisaina ny hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy sy ny zanak'Israely, raha nivoaka avy tany amin'ny tany Ejipta izy ireo. 5 Robena lahimatoan'Israely, zana-dRobena: ny fokon'ny Henokita avy tamin'i Henoka; ny fokon'ny Faloita avy tamin'i Falò;

6 ny fokon'ny Hesronita avy tamin'i Hesrona; ny fokon'ny Karmita avy tamin'i Karmì. 7 Ireo no fokon'ny Robenita, telopolo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina izy no voaisa. 8 Zanak'i Falò, dia Eliaba. 9 Zanak'i Eliaba dia Namoela sy Datàna ary Abirona. Ireo ilay Datàna sy Abirona, isan'ny mpanolo-tsaina, nikomy tamin'i Moizy sy Aarona tanatin'ny tarik'i Kore, fony izy nikomy tamin'ny Tompo, 10 ary nivava ny tany nitelina azy ireo mbamin'i Kore, raha levona izany anotokony izany, ka voadoron'ny afo ny lehilahy dimampolo sy roan-jato, ka tonga fananarana izy ireo. 11 Fa tsy maty ny zanak'i Kore. 12 Zanak'i Simeona araka ny fokony avy, ny fokon'ny Namoelita avy tamin'i Namoela; ny fokon'ny Jaminita, avy tamin'i Jamina,

13 ny fokon'ny Jakinita avy tamin'i Jakina, ny fokon'ny Zareita avy tamin'i Zare, ny fokon'ny Saolita avy tamin'i Saoly. 14 Ireo no fokon'ny Simeonita, roan-jato amby roa arivo sy roa alina izy. 15 Zanak'i Gada, araka ny fokony avy; ny fokon'ny Sefonita avy tamin'i Sefona; ny fokon'ny Agita avy tamin'i Agy;

16 ny fokon'ny Oznita avy tamin'i Oznì; ny fokon'ny Herita, avy tamin'i Hera; 17 ny fokon'ny Arodita, avy tamin'ny Aroda; ny fokon'ny Arielita avy tamin'i Ariela. 18 Ireo no fokon'ny zanak'i Gada, araka ny voaisa amin'izy ireo, dia diman-jato sy efatra alina. 19 Zanak'i Jodà: Era sy Onàna, fa maty tany Kanaana Era sy Onàna.

20 Izao no zanak'i Jodà, araka ny fokony avy: Ny fokon'ny Selaita avy tamin'i Selà; ny fokon'ny Farezita, avy tamin'i Farezy; ny fokon'ny Zareita, avy tamin'i Zare. 21 Ny zanak'i Farezy dia izao: ny fokon'ny Hesronita avy tamin'i Hesrona; ny fokon'ny Hamolita avy tamin'i Hamola. 22 Ireo no fokon'i Jodà, araka ny voaisa amin'izy ireo: diman-jato amby enina arivo sy fito alina. 23 Zanak'Isakara, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Tolaïta avy tamin'i Tolà; ny fokon'ny Foaita avy tamin'i Foà;

24 ny fokon'ny Jasobita avy tamin'i Jasoba; ny fokon'ny Semranita avy tamin'i Semrana. 25 Ireo no fokon'Isakara araka ny voaisa amin'izy ireo: telon-jato amby efatra arivo sy enina alina. 26 Zanak'i Zabolona, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Saredita avy tamin'i Sareda; ny fokon'ny Elonita avy tamin'i Elona; ny fokon'ny Jalelita avy tamin'i Jalela.

27 Ireo no foko avy tamin'i Zabolona, araka ny voaisa amin'izy ireo, dia diman-jato sy enina alina. 28 Zanak'i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.

29 Zanak'i Manase: ny fokon'ny Makirita, avy tamin'i Makira; ary Makira niteraka an'i Galaada; ny fokon'ny Galaadita avy tamin'i Galaada. 30 Izao no zanak'i Galaada: Jezera ihavian'ny fokon'ny Jezerita; avy amin'i Heleka ny fokon'ny Helikita; 31 Asriela ihavian'ny fokon'ny Asrielita; Sekema ihavian'ny fokon'ny Sekemita; 32 Semidà ihavian'ny fokon'ny Semidaïta; Hefera ihavian'ny fokon'ny Hefrita. 33 Salfaada, zanak'i Hefera tsy nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ka ireto no anaran'ny zanakavavin'i Salfaada: Maalà, Noà, Heglà, Melkà ary Tersà. 34 Ireo no fokon'i Manase: fiton-jato amby roa arivo sy dimy alina no voaisa amin'izy ireo. 35 Ireto no zanak'i Efraima, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Sotalaïta, avy amin'i Sotalà; ny fokon'ny Bekrita avy amin'i Bekera; ny fokon'ny Tehenita avy amin'i Tehena.

36 Ary izao no zanak'i Sotalà: ny fokon'ny Heranita, avy amin'i Heràna. 37 Ireo no fokon'ny zanak'i Efraima, araka ny voaisa amin'izy ireo; diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Dia izay no zanak'i Josefa araka ny fokony. 38 Zanak'i Benjamina, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Belaita, avy tamin'i Belà; ny fokon'ny Asbelita, avy tamin'i Asbela; ny fokon'ny Ahiramita avy tamin'i Ahirama;

39 ny fokon'ny Sofamita avy tamin'i Sofama; ny fokon'ny Hofamita avy tamin'i Hofama. 40 Ary ny zanak'i Belà, dia Hereda sy Noemana: ny fokon'ny Heredita, avy tamin'i Hereda; ny fokon'ny Noemanita, avy tamin'i Noemana; 41 Ireo no zanak'i Benjamina, araka ny fokony avy, ary enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina, ny voaisa amin'izy ireo. 42 Izao no zanak'i Dana, araka ny fokony: avy amin'i Sohama ny fokon'ny Sohamita. Ireo no fokon'i Dana raka ny fokony.

43 Efa-jato amby efatra arivo sy enina alina no tontalin'ny fokon'ny Sohamita araka ny voaisa amin'izy ireo. 44 Zanak'i Asera, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Jemnita avy tamin'i Jemnà; ny fokon'ny Jesoaita, avy tamin'i Jesoaì; ny fokon'ny Brieita, avy tamin'i Brie.

45 Avy amin'ny zanak'i Brie: ny fokon'ny Hebrita avy tamin'i Hebera; ny fokon'ny Melkielita avy tamin'i Melkiela. 46 Ny anaran'ny zanakavavin'i Asera, dia Sarà. 47 Ireo no fokon'ny zanak'i Asera araka ny voaisa amin'izy ireo: efa-jato amby telo arivo sy dimy alina. 48 Zanak'i Neftalì, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Jesielita avy tamin'i Jesiela; ny fokon'ny Gonita, avy tamin'i Gonì;

49 ny fokon'ny Jeserita, avy tamin'i Jesera; ny fokon'ny Selemita avy tamin'i Selema. 50 Ireo no fokon'i Neftalì araka ny fokony. Efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina ny voaisa amin'izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0997