Ny Fanisana

Toko faha-29

1 Amin'ny volana fahafito, amin'ny andro voalohan'ny volana, dia hisy fivoriana masina ho anareo; tsy hanao asa fanaon'ny mpiasa na inona na inona hianareo. Andron'ny feo mikarantsana ho anareo izany.

2 Ary izao no sorona dorana haterinareo, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo: vantotr'ombalahy iray, ary zanak'ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema; 3 ary ny fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo: telo ampahafolony amin'ny vantotr'ombalahy, 4 roa ampahafolony amin'ny ondrilahy, ary iray ampahafolony amin'ny zanak'ondry fito tsirairay avy. 5 Osilahy iray no sorona noho ny ota, hanaovana ny fanonerana ho anareo. 6 Hataonareo izany ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana isam-bolana, mbamin'ny fanatitra momba azy, ny sorona tsy tapaka, mbamin'ny fanatitra momba azy, ary ny fanatitra araraka momba azy araka ny fitsipika voadidy. Sorona atao amin'ny afo izany, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. 7 Amin'ny andro fahafolon'io volana io ihany, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ary hampahory ny fanahinareo hianareo; tsy hanao asa na inona na inona hianareo.

8 Ho sorona dorana ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo, dia manatera vantotr'ombalahy iray, ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema, 9 ary ny hatao fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo, telo ampahafolony amin'ny ombalahy, roa ampahafolony amin'ny ondralahy, 10 iray ampahafolony amin'ny zanak'ondry fito tsirairay avy. 11 Ary osilahy iray ho sorona noho ny ota; fa tsy hajanona anefa ny sorom-panonerana sy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra momba azy, mbamin'ny fanatitra araraka momba azy. 12 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa fanaon'ny mpiasa na inona na inona hianareo. Hanao fety fankalazana an'ny Tompo mandritra ny hafitoana hianareo,

13 hanatitra sorona dorana, sorona atao amin'ny afo ho hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo, dia vantotr'ombalahy telo ambin'ny folo, ondralahy roa, zanak'ondry efatra ambin'ny folo, efa iray taona, tsy misy kilema; 14 ary ny hatao fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo, telo ampahafolony amin'ny ombalahy telo ambin'ny folo tsirairay avy, roa ampahafolony amin'ny ondralahy roa tsirairay avy, 15 ary iray ampahafolony amin'ny zanak'ondry efatra ambin'ny folo tsirairay avy. 16 Osilahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy. 17 Amin'ny andro faharoa, manatera vantotr'ombalahy roa ambin'ny folo, ondralahy roa, zanak'ondry efatra ambin'ny folo, efa iray taona, tsy misy kilema,

18 miaraka amin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, manaraka ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak'ondry samy araka ny isany avy, araka ny fitsipika. 19 Osilahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy. 20 Amin'ny andro fahatelo manatera ombalahy iraik'ambin'ny folo, ondralahy roa, zanak'ondry efatra ambin'ny folo, efa iray taona, tsy misy kilema,

21 mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin'ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak'ondry araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika. 22 Osilahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy. 23 Amin'ny andro fahefatra, manatera ombalahy folo, ondralahy roa, zanak'ondry efatra ambin'ny folo, efa iray taona, tsy misy kilema,

24 mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin'ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak'ondry araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika. 25 Osilahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy. 26 Amin'ny andro fahadimy, manatera vantotr'ombalahy sivy, ondralahy roa, zanak'ondry efatra ambin'ny folo, efa iray taona, tsy misy kilema,

27 mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin'ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika. 28 Osilahy iray no ho sorona noho ny ota, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy. 29 Amin'ny andro fahenina, manatera vantotr'ombalahy valo, ondrahaly roa, zanak'ondry efatra ambin'ny folo, efa iray taona, tsy misy kilema,

30 mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin'ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika. 31 Osilahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy. 32 Amin'ny andro fahafito manatera ombalahy fito, ondralahy roa, zanak'ondry efatra ambin'ny folo, efa iray taona, tsy misy kilema,

33 mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin'ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak'ondry araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika. 34 Osilahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka, mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy. 35 Amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana lehibe ho anareo, tsy hanao asa fanaon'ny mpiasa na inona na inona hianareo.

36 Hanatitra sorona dorana anankiray hianareo, sorona anankiray atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo, dia ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema, 37 mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin'ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak'ondry, manaraka ny fitsipika. 38 Osilahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka, mbamin'ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy. 39 Ireo avy no sorona haterinareo ho an'ny Tompo amin'ny fetinareo, afa-tsy ny voadinareo sy ny fanoloranareo an-tsitra-po: ny sorona doranareo, ny fanatitrareo sy ny fanatitrareo araraka ary ny fanati-pihavananareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0365