Ny Fanisana

Toko faha-32

1 Ny zana-dRobena sy ny zanak'i Gada dia nanana biby fiompy be tokoa; ka nony hitany fa tany tsara ho fiandrasana biby fiompy ny tany ao Jazera sy ny tany ao Galaada,

2 dia nanatona an'i Moizy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana ny zana-dRobena sy ny zanak'i Gada ka nanao taminy hoe: 3 Atarota, Dibona, Jazera, Nemrà, Hesebona, Eleale, Sabàna, Nebao ary Beona, 4 izay tany nofaizin'ny Tompo teo anoloan'ny fiangonan'Israely dia tany tsara ho fiandrasana biby fiompy; ary ny mpanomponao be biby fiompy; 5 ka hoy izy nanampy teny hoe: Raha nahita fitia teo imasonao izahay, dia aoka io tany io no homena ho zarataninay mpanomponao, fa aza dia ampitaina an'i Jordany izahay. 6 Fa izao no navalin'i Moizy ny zanak'i Gada sy ny zana-dRobena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka hianareo kosa ve hijanona eto?

7 Nahoana hianareo no mampiketraka ny zanak'Israely tsy hankany amin'ny tany omen'ny Tompo azy? 8 Mova tsy izao koa no nataon'ny rainareo, fony aho naniraka azy avy tany Kades-Barne hisafo ny tany. 9 Niakatra hatrany an-dohasahan'i Eskola izy ary nahita ny tany, dia nampiketraka ny zanak'Israely tsy hiditra any amin'ny tany omen'ny Tompo azy. 10 Ary nirehitra ny fahatezeran'ny Tompo tamin'izay andro izay, ka nianiana izy nanao hoe: 11 Tsy hisy hahita ny tany efa nianianako tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba homena azy, ireo olona niakatra avy tany Ejipta, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, satria tsy nanaraka ahy tsara izy ireo, 12 afa-tsy Kaleba zanak'i Jefone, Kenezeana, sy Josoe, zanak'i Nòna, izay nanaraka tsara an'ny Tompo. 13 Nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'ny Tompo ka nataony nirenireny tany an'efitra izy ireo mandritra ny efapolo taona mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason'ny Tompo. 14 Ary indreo hianareo mitsangana hisolo ny rainareo, toy ny taranaky ny mpanota, ka hampitombo indray ny firehetan'ny hatezeran'ny Tompo amin'Israely. 15 Fa raha mandà tsy hanaraka azy hianareo, dia mbola avelany aty an'efitra Israely, ka dia hianareo no ho fototry ny fandringanana izao vahoaka rehetra izao. 16 Dia nanakaiky an'i Moizy izy ireo, ka nanao hoe: Hanao vala ho an'ny biby fiompinay eto izahay, sy tanàna ho an'ny zanakay madinika,

17 fa ny tenanay kosa dia hivonon-kiady faingana handroso eo alohan'ny zanak'Israely, mandra-pampiditray azy any amin'ny tany izay tsy maintsy hitoerany; fa ny zanakay no hitoetra amin'ny tanàna mimanda, noho ny amin'ny mponina amin'ny tany. 18 Tsy hody amin'ny tranonay izahay, raha tsy efa samy nahazo ny lovany avy ny zanak'Israely. 19 Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy any an-dafin'i Jordany izahay, na any ankohatr'izany, fa efa azonay aty an-dafin'i Jordany aty atsinanana ny anjara lovanay. 20 Dia hoy Moizy tamin'izy ireo: Raha izany àry no ataonareo ka hioman-kiady eo anatrehan'ny Tompo hianareo, 21 raha ny lehilahy rehetra mitam-piadiana ao aminareo no hita an'i Jordany eo anatrehan'ny Tompo, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anatrehany, 22 ka tsy hiverina raha tsy efa resy eo anatrehan'ny Tompo ny tany, dia afa-tsiny eo anatrehan'ny Tompo sy eo anatrehan'Israely hianareo, ary ho fanananareo eo anatrehan'ny Tompo ity faritany ity. 23 Fa raha tsy manao izany kosa hianareo, dia indro manota amin'ny Tompo hianareo, ka fantaro fa hanody anareo ny fahotanareo. 24 Aoreno àry ny tanàna ho an'ny zanakareo sy ny vala ho an'ny biby fiompinareo dia tanteraho koa ny teny naloaky ny vavanareo. 25 Niteny tamin'i Moizy ny zanak'i Gada sy ny zana-dRobena nanao hoe: Izay nodidian'ny tompoko, dia hataon'ny mpanomponao.

26 Ny zanakay, ny vadinay, ny biby fiompinay sy ny biby manompo rehetra anananay, dia hitoetra eto amin'ny tanànan'i Galaada; 27 fa ny mpanomponao kosa rahefa mety ho lehilahy voaoman-kiady, dia handeha eo alohan'ny Tompo mba hiantafika araka ny tenin'ny tompoko. 28 Dia nomen'i Moizy didy ny amin'ireo, Eleazara mpisorona sy Josoe zanak'i Nòna ary ny filoham-pianakaviana amin'ny fokon'ny zanak'Israely.

29 Hoy izy taminy: Raha mita an'i Jordany miaraka aminareo ny zanak'i Gada sy ny zana-dRobema, dia ny lehilahy rehetra voaoman-kiady eo anatrehan'ny Tompo, ka resy eo anatrehanareo ny tany, dia omeo ho fananany ny tany azo ao amin'i Galaada. 30 Fa raha tsy mandeha mitam-piadiana miaraka aminareo kosa izy, dia hitoetra eo afovoanareo any amin'ny tany Kanaana ihany. 31 Dia namaly ny zanak'i Gada sy ny zana-dRobena nanao hoe: Hataonay izay nolazain'ny Tompo tamin'ny mpanomponao. 32 Handeha mitam-piadiana izahay ho any amin'ny tany Kanaana eo anatrehan'ny Tompo, ary ho raikitra aty andafin'i Jordany ny anjara fananana ho lovanay. 33 Dia nomen'i Moizy ny zanak'i Gada sy ny zana-dRobena ary ny antsasaky ny fokon'i Manase, zanak'i Josefa, ny fanjakan'i Sehona, mpanjakan'ny Amoreana, sy ny fanjakan'i Oga, mpanjakan'i Basàna, dia ny tany mbamin'ny tanànany sy ny faritany momba azy, ary ny tanàna eny amin'ny tany manodidina.

34 Ny zanak'i Gada nanorina an'i Dibona, Atarota, Aroera,

35 Atarota-Sofàna, Jezera, Jegbàa, 36 Betnemrà ary Betaràna, tanàna mimanda, ary nanao vala ho an'ny biby fiompy. 37 Ny zana-dRobena nanorina an'i Hesebona, Eleale, Kaariataïma,

38 Nabao ary Baalmeona izay samy novany anarana ary Sabamà, ka samy nomeny anarana ny tanàna naoriny. 39 Ny zanak'i Makira, zanak'i Manase, nananika an'i Galaada, dia nahafaka azy, sy nandroaka ny Amoreana izay nonina tao.

40 Koa nomen'i Moizy an'i Makira, zanak'i Manase, Galaada, ary niorim-ponenana tao izy. 41 Dia nandroso Jaïra, zanak'i Manase, ka nahafaka ny zana-bohiny, izay nantsoiny hoe Zanabohitr'i Jaïra. 42 Nandroso koa Nobe, ka nahafaka an'i Kanata mbamin'ny tanàna momba azy, dia nantsoiny hoe Nobe araka ny anarany izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.101