Ny Fanisana

Toko faha-33

1 Izao no nitobian'ny zanak'Israely nony nivoaka avy tany amin'ny tany Ejipta, araka ny antokony avy, ambanin'ny fitondran'i Moizy sy Aarona.

2 Nalatsak'i Moizy an-tsoratra ny toerana niaingany araka ny nitobiany manaraka ny didin'ny Tompo, ka izao avy no nitobiany araka ny niaingany. 3 Niala tao Ramsesa tamin'ny volana voalohany izy, tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana voalohany. Ny ampitson'ny Paka dia tamin'ny tànana voasandratra no nivoahan'ny zanak'Israely teo imason'ny Ejipsiana rehetra.

4 Ary ny Ejipsiana nandevina izay novonoin'ny Tompo teo aminy, dia ny lahimatoany rehetra, ary nahatran'ny Tompo tamin'ny andriamaniny koa ny fitsarana. 5 Nony niala teo Ramsesa ny zanak'Israely, dia nitoby tao Sokota. 6 Niala tao Sokota izy, dia nitoby tao Etama, izay eo an-tsisin'ny efitra. 7 Niala tao Etama izy, dia nivily tao Fihahirota, izay mifanandrify amin'i Beelsefona, ka nitoby teo anoloan'i Magdaloma. 8 Niala teo anoloan'i Fihahirota izy, dia nita ny ranomasina ho any an'efitra. Nony nandeha làlan-kateloana tany an'efitra Etama izy dia nitoby tao Marà. 9 Niala tao Marà izy dia tonga tao Elima izay nisy loharano roa ambin'ny folo, sy foto-drofia fitopolo, ka nitoby tao. 10 Niala tao Elima izy, dia nitoby teo amoron'ny ranomasina Mena. 11 Niala teo amin'ny ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an'efitra Sina. 12 Niala tany an'efitra Sina izy, dia nitoby tao Dafkà. 13 Niala tao Dafkà izy, dia nitoby tao Alosy. 14 Niala atao Alosy izy, dia nitoby tao Rafidima, ary tsy nisy rano tao hosotroin'ny vahoaka. 15 Niala tao Rafidima izy, dia nitoby tany an'efitra Sinaia. 16 Niala tany an'efitra Sinaia izy, dia nitoby tao Kibrota-Hataavà.

17 Niala tao Kibrota-Hataavà izy, dia nitoby tao Haserota. 18 Niala tao Haserota izy, dia nitoby tao Retmà. 19 Niala tao Retmà izy, dia nitoby tao Remonfaresa. 20 Niala tao Remonfaresa izy, dia nitoby tao Lebnà. 21 Niala tao Lebnà izy, dia nitoby tao Resà. 22 Niala tao Resà izy, dia nitoby tao Keelatà. 23 Niala tao Keelatà izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sefera. 24 Niala tao an-tendrombohitra Sefera izy, dia nitoby tao Aradà. 25 Niala tao Aradà izy, dia nitoby tao Makelota. 26 Niala tao Makelota izy, dia nitoby tao Tahata. 27 Niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tare. 28 Niala tao Tare izy, dia nitoby tao Metkà. 29 Niala tao Metkà izy, dia nitoby tao Hesmonà. 30 Niala tao Hesmonà izy, dia nitoby tao Moserota. 31 Niala tao Moserota izy, dia nitoby tao Bene-Jaakàna. 32 Niala tao Bene-Jaakàna izy, dia nitoby tao Hor-Gadgada. 33 Niala tao Hor-Gadgada izy, dia nitoby tao Jetebata. 34 Niala tao Jetebata izy, dia nitoby tao Hebrona. 35 Niala tao Hebrona izy, dia nitoby tao Asiongabera. 36 Niala tao Asiongabera izy, dia nitoby tany an'efitra Sina, izany hoe tao Kadesy. 37 Niala tao Kadesy izy, dia nitoby tany an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin'ny tany Edoma.

38 Niakatra tao an-tendrombohitra Hora Aarona mpisorona araka ny didin'ny Tompo, dia maty tao izy tamin'ny taona fahefapolo taorian'ny nivoahan'ny zanak'Israely tany amin'ny tany Ejipta, volana fahadimy, andro voalohan'ny volana. 39 Efa telo amby roapolo amby zato taona Aarona, tamin'izy maty tao an-tendrombohitra Hora. 40 Ary ren'ilay Kananeana mpanjakan'i Arada izay nonina tao Negeba amin'ny tany Kanaana fa hoe tamy ny zanak'Israely. 41 Niala tao an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Salmonà.

42 Niala tao Salmonà izy, dia nitoby tao Fonona. 43 Niala tao Fonona izy, dia nitoby tao Obota. 44 Niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ije-Abarima, amin'ny sisin-tanin'i Moaba. 45 Niala tao Ije-Abarima izy, dia nitoby tao Dibon-Daga. 46 Niala tao Dibon-Daga izy, dia nitoby tao Helmon-Delbataïma. 47 Niala tao Helmon-Delbataïma izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Abarima tandrifin'i Nebao. 48 Niala tao an-tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao amin'ny tany lemak'i Moaba, amoron'i Jordany, tandrifin'i Jerikao. 49 Ny moron'i Jordany nitobiany, dia hatreo Betsimota, ka hatrany Abela-Setima amin'ny tany leman'i Moaba. 50 Niteny tamin'i Moizy Iaveh, tao amin'ny tany lemak'i Moaba amoron'i Jordany tandrifin'i Jerikao nanao hoe:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0369