Ny Fanisana

Toko faha-35

1 Niteny tamin'i Moizy Iaveh tao an-tany lemak'i Moaba amoron'i Jordany, tandrifin'i Jerikao, nanao hoe:

2 Omeo didy ny zanak'Israely hanome tanàna ho an'ny Levita avy amin'ny lova hananany avy, mba honenany ao. Homenareo tany fiandrasam-biby manodidina izany tanàna izany koa ny Levita. 3 Hanana ny tanànany izy honenany, ary ny tany fiandrasam-biby, dia ho an'ny biby vaventy fiompiny sy ny fananany mbamin'ny bibiny rehetra. 4 Ny tany fiandrasam-biby momba ny tanàna homenareo ny Levita, dia ho arivo hakiho manodidina hatreo amin'ny mandan'ny tanàna avy eo ivelany. 5 Any ivelan'ny tanàna hianareo handrefy roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsinanana, roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana, roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra, ka dia ho ao afovoany ny tanàna. Izany no ho tany fiandrasam-biby momba ny tanànan'izy ireo. 6 Ary ny tanàna homenareo ny Levita, dia ny tanàna fialofana enina, izay halaminareo handosiran'izay nahafaty olona; ary fanampin'izany dia homenareo tanàna hafa roa amby efapolo koa izy,

7 dia ho valo amby efapolo izany no ho tanàna homenareo ny Levita omban'ny tany fiandrasam-bibiny avy. 8 Ny zaratanin'ny zanak'Israely hanomezanareo ireo tanàna ireo, dia izay manam-be no hangalanareo be, ary izay manan-kely no hangalanareo kely; ka dia samy hanome ny Levita amin'ny tanànany araka ny lova noraisiny avy izy ireo. 9 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

10 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Rahefa tafita an'i Jordany ka efa any amin'ny tany Kanaana hianareo, 11 dia mifidiana tanàna ho tanàna fialofana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy. 12 Izany tanàna izany, dia ho fialofana ho anareo tsy ho azon'ny mpamaly rà; mba tsy hovonoina, alohan'ny hisehoany hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana izay nahafaty olona. 13 Ka amin'ny tanàna homenareo, dia enina no ho tanàna fialofana ho anareo. 14 Ny tanàna telo homenareo ety an-dafin'i Jordany ary ny tanàna telo homenareo any amin'ny tany Kanaana. 15 Ireo no ho tanàna fialofana, ary ireo tanàna enina ireo, dia ho fialofana ho an'ny zanak'Israely, ho an'ny vahiny ary ho an'izay mitoetra eo aminareo, mba handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy. 16 Raha namely vy olona izy ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona izy ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona.

17 Raha namely azy, ka vato mety hahafaty olona no teny an-tànany, ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona izy ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona. 18 Raha namely azy, ka fiasana hazo mety hahafaty olona no teny an-tànany, ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona. 19 Ny mpamaly rà no hamono ny mpamono olona; amin'izay hifanenany aminy no hamonoany azy. 20 Raha nampitsingadina olona izy, noho ny fankahalany, na nitoraka zavatra tamin'olona tamin'ny fanotrehana, ka nahafatesany azy izany; 21 dia namely tànana azy, noho ny fankahalana, ka nahafatesany azy izany, dia hohelohin-ko faty izay namely, fa mpamono olona; ary ny mpamaly rà no hamono azy rahefa hifanena aminy izy. 22 Fa raha nampitsingadina olona tsy nahy kosa izy, tsy noho ny fankahalany azy, na nitoraka zavatra taminy tsy nikendreny azy,

23 na nanjera vato tsy nahy taminy, mety hahafaty, ka nahafatesany azy izany, nefa tsy fahavalony izy, na nitady hanisy ratsy azy, 24 dia hotsarain'ny fiangonana araka izany lalàna izany ilay namely sy ny mpamaly rà; 25 ary hanafaka ilay nahafaty olona amin'ny mpamaly rà ny fiangonana, hamerina azy ho any amin'ny tanàna fialofana izay nandosirany, dia hitoetra ao izy, mandra-pahafatin'izay mpisorom-be voahosotra tamin'ny diloilo masina. 26 Raha mivoaka ny faritry ny tanàna fialofana izay nandosirany ilay nahafaty olona, 27 ka azon'ny mpamaly rà any ivelan'ny faritry ny tanàna fialofana, ka vonoin'ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, dia tsy heloka ho azy izany vonoana izany; 28 satria tsy maintsy mitoetra ao an-tanàna fialofany izay nahafaty olona mandra-pahafatin'ny mpisorom-be; fa rahefa maty ny mpisorom-be vao mahazo mody any amin'ny zarataniny ilay nahafaty olona. 29 Ireo lalàna ireo, dia mametra ny rariny harahinareo, hianareo sy ny taranakareo na aiza na aiza honenanareo. 30 Raha misy olona nahafaty namana, dia ny filazan'ny vavolombelona no hanamelohan-ko faty izay nahafaty olona, fa raha vavolombelona iray ihany kosa tsy ampy ny filazany hanamelohana olona ho faty.

31 Aza mandray avotra aina amin'ny mpamono olona mendrika hovonoina noho ny heloka nataony, fa tsy maintsy atao maty izy. 32 Aza mandray avotra amin'izay nandositra ho ao an-tanàna fialofana, mba hahazoany mody hitoetra any amin'ny taniny, alohan'ny fahafatesan'ny mpisorom-be. 33 Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny rà no mandoto ny tany, ary tsy misy fanavotana ny tany amin'ny rà nalatsaka afa-tsy ny ran'ny nandatsaka azy ihany.

34 Aza manevateva ny tany onenanareo sy onenako koa, fa izaho no Iaveh mitoetra eo afovoan'ny zanak'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0493