Ny Fanisana

Toko faha-36

1 Nanatona niteny teo anatrehan'i Moizy sy teo anatrehan'ny lehibe, lohan'ny fokom-pianakavian'ny zanak'Israely, ny loham-pianakavian'i Galaada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, zanak'i Josefa. Hoy izy ireo hoe:

2 Nodidian'ny Tompo ny tompoko hizara amin'ny filokana ny tany holovan'ny zanak'Israely; nodidian'ny Tompo koa ny tompoko hanome ny lovan'i Salfaada rahalahinay, ho an'ny zanany vavy. 3 Koa raha manambady ny zanakalahin'ny foko hafa amin'ny zanak'Israely izy ireo, dia hesorina amin'ny anjara lovan'ny razanay ny anjara lovany ka hanampy ny anjaran'ny foko izay hidirany izany, ka ho voaesotra amin'ny anjara lovany. 4 Ary rahefa tonga ny Jobile ho an'ny zanak'Israely, ny lovany dia hanampy ny an'izay foko hidirany, ka halana amin'ny lovan'ny fokon-drazanay ny lovany. 5 Ary nanome izao didy izao Moizy ho an'ny zanak'Israely araka ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: Marina ny tenin'ny fokon'ny zanak'i Josefa.

6 Ka izao no didin'ny Tompo ny amin'ny zanakavavin'i Salfaada: hanambady izay tiany izy, nefa ny ao amin'ny fianakavian'ny fokon-drainy ihany no ho vadiny; 7 dia tsy hifindra maso ny lovan'ny zanak'Israely, fa samy ho eo amin'ny lovan'ny fokon-drainy avy no hipetrahan'ny zanak'Israely. 8 Ka ny zazavavy rehetra manana lova eo amin'ny fokon'ny zanak'Israely, dia samy hanambady ny anankiray amin'ny fianakavian'ny fokon-drainy avy, mba samy hahatana ny lovan-drazany avy ny zanak'Israely rehetra. 9 Tsy hisy lova hifindra maso any amin'ny foko hafa, fa ny fokon'Israely rehetra samy hipetraka amin'ny lovany avy. 10 Dia nanao arak'izay nandidian'ny Tompo an'i Moizy ny zanakavavin'i Salfaada.

11 Samy nanambady ny zana-drahalahin-drainy avy ny zanakavavin'i Salfaada, Maalà, Tersà, Heglà, Melkà sy Hoà; 12 nanambady teo amin'ny fianakavian'ny zanak'i Manase, zanak'i Josefa izy ireo ka dia nipetraka tamin'ny fokom-pianakavian-drainy ny lovany. 13 Ireo no didy aman-dalàna nomen'ny Tompo ny zanak'Israely tamin'ny alàlan'i Moizy, teo an-tany lemak'i Moaba, amoron'i Jordany, tandrifin'i Jerikao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1328