Ny Fanisana

Toko faha-5

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:

2 Asaovy avoaky ny zanak'Israely any ivelan'ny toby izay rehetra boka, na voan'ny fitsihana, na voaloton'ny faty. 3 Avoahy any ivelan'ny toby avokoa ireny, na lahy na vavy, mba tsy handoto ny tobiny, izay onenako eo afovoany. 4 Dia nataon'ny zanak'Israely izany, ka navoakany any ivelan'ny toby ireny: araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy no nataon'ny zanak'Israely. 5 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:

6 Lazao amin'ny zanak'Israely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy diso amin'ny Tompo manao fahotana isan'ireo mahafaty antoka ny namana, fa tsy manaraka an'ny Tompo, ka dia meloka izy, 7 dia tsy maintsy hiaiky ny fahotany, sy hamerina ny zavatra rehetra azony tsy an-drariny, tongoaviny ny fahadiminy, hatolony amin'izay olona nanaovany hadisoana. 8 Ary raha tsy manana solony io olona io, izay azo hamerenana ny zavatra azo tamim-pahotana, dia ho an'ny Tompo izany zavatra izany, ho an'ny mpisorona, miaraka amin'ny ondralahy fanonerana, izay hanaovana ny fanonerana ho an'ilay meloka. 9 An'ny mpisorona ny fanatitra rehetra avahana amin'ny zava-masina aterin'ny zanak'Israely amin'ny mpisorona; 10 azy avokoa ny zavatra atokan'ny olona rehetra na iza na iza. Izay omen'ny olona ho an'ny mpisorona dia ho azy. 11 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:

12 Mitenena amin'ny zanak'Israely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vehivavy manambady, mivily ka manao izay mahadiso azy amin'ny lahy, 13 fa misy lehilahy hafa miray aminy, nefa zavatra miafina amin'ny mason'ny lahy izany, fa mangingina no anaovan-dravehivavy fahalotoana, tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tànana izy; 14 raha voan'ny fiahiahiana ny lahy, ka miahiahy ny vadiny manao fahalotoana; na raha voan'ny fiahiahiana ny lahy, ka miahiahy ny vadiny tsy nanao fahalotoana, 15 dia hoentin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ka hitondra fanatitra noho ny amin'ny vavy izy, dia lafarina orja am-pahafolon'ny efah, tsy hanidinana diloilo izany na hasiana emboka manitra, satria fanati-piahiahiana, fanati-pahatsiarovana, mampahatsiaro heloka io. 16 Ary ny mpisorona hampanatona an-dravehivavy hitsangana eo anatrehan'ny Tompo;

17 dia haka rano masina amin'ny lovia tany ny mpisorona ka hasiany vovoka nalainy avy amin'ny tanin'ny Fonenana ny rano. 18 Hasain'ny mpisorona hitsangana eo anatrehan'ny Tompo ny vehivavy, harakarakany ny volon-dohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, fanati-piahiahiana izany. Ary ho eo an-tànan'izy mpisorona kosa ny rano mangidy mitondra ozona. 19 Dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona, ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily hanao fahalotoana hianao, raha mbola eo am-pelatànan'i vadinao dia afàha amin'ity rano mangidy mitondra ozona ity hianao. 20 Fa raha nivily kosa nanao fahalotoana hianao, dieny mbola eo am-pelatànan'i vadinao, fa lehilahy hafa afa-tsy i vadinao no nandry taminao, 21 dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona amin'ny fianianam-panozonana, ka hanao aminy hoe: Aoka Iaveh hahatonga anao ho fanozona sy ho fisahato eo amin'ny firenenao, ka hampifezaka ny ilanao sy hampivonto ny kibonao; 22 ary aoka ity rano mitondra ozona ity no hiditra ao an-kibonao, ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny ilanao. Dia hiteny ravehivavy hanao hoe: Amena, amena. 23 Hosoratan'ny mpisorona amin'ny horonan-taratasy izany fanozonana izany, vao hosasany amin'ny rano mangidy indray,

24 dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano mangidy mitondra ozona ary hiditra ao anatiny ka ho mangidy aminy ny rano mitondra ozona. 25 Dia halain'ny mpisorona ny fanati-piahiahiana teny an-tànan-dravehivavy ka hahevahevany eo anatrehan'ny Tompo sy hoentiny eo akaikin'ny otely.

26 Ary handraofany eran-tànan'ila hatao fanati-pahatsiarovana izany fanatitra izany, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny otely; rahefa izany dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano. 27 Rahefa hampisotroiny azy ny rano, dia izao no hitranga: raha nanao fahalotoana, ka diso tamin'ny lahy tokoa izy, dia hiditra ao anatiny, mba ho mangidy aminy, ny rano mitondra ozona, hivonto ny kibony, ary hifezaka ny ilany, ka dia fanozona eo amin'ny fireneny izany vehivavy izany. 28 Fa raha tsy nanao fahalotoana kosa ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy, ary hanana anaka. 29 Izany no lalàna momba ny fiahiahiana, raha misy vehivavy eo am-pelatànana'ny lahy, nivily nanao fahalotoana;

30 na misy lehilahy azon'ny fiahiahiana, ka miahiahy ny vadiny, dia hasainy mitsangana eo anatrehan'ny Tompo ny vadiny, ary hampiharin'ny mpisorona aminy izany lalàna rehetra izany; 31 ka ralehilahy tsy hanan-tsiny, fa ny vavy no hitondra ny fahotany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0537