Ny Fanisana

Fanisana toko 7
Fanatitra naterin'ny filohan'ny isam-poko hitokanana ny Fonenana.

       1 Tamin'ny andro nahavitan'i Moizy ny fananganana ny Fonenana ka nanosorany sy nanamasinany azy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, hatramin'ny otely mbamin'ny fanaka rehetra momba azy koa, rahefa nanosotra sy nanamasina an'ireo izy, 2 dia nanatitra ny fanatiny ny lehibe amin'Israely izay filohan'ny isam-pokony avy; izy ireo no filohan'ny isam-poko izay nitarika ny fanisana. 3 Nentiny teo anatrehan'ny Tompo ny fanatiny; sarety mirakotra enina, ary omby roa ambin'ny folo, izany hoe: sarety iray no avy amin'ny filohany roa, ary omby iray avy amin'ny filohany iray. Teo anoloan'ny Fonenana no nanolorany an'ireo.
       4 Dia niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 5 Raiso ireo zavatra avy aminy ireo, hoentina hanaovana ny raharaha momba ny trano lay fihaonana, ka omeo ny Levita, samy araka izay ilainy amin'ny raharahany avy. 6 Dia noraisin'i Moizy ny sarety sy ny omby, ka napetrany amin'ny Levita. 7 Sarety roa sy omby efatra no nomeny ny taranak'i Gersona, araka ny ilainy amin'ny raharahany. 8 Sarety efatra sy omby valo kosa, no nomeny ny taranak'i Merary, fehin'Itamara, zanak'i Aarona mpisorona, araka izay ilainy amin'ny raharahany. 9 Fa tsy nomeny kosa ny taranak'i Kaata, satria ny fanaka masina no anjara fanompoany, ka tsy maintsy lanjainy an-tsoroka. 10 Natolotry ny filohany ny fanatitra hitokanana ny otely tamin'ny andro nanosorana azy. Natolotry ny filohany eo anoloan'ny otely ny fanatiny. 11 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Aoka hisy iray isan'andro ny filohany no tonga manolotra ny fanatiny, amin'ny fitokanana ny otely.
       12 Ka tamin'ny andro voalohany, dia i Nahasona, zanak'i Aminadaba, avy amin'ny fokon'i Jodà no nanolotra ny fanatiny. 13 Izao no nateriny: Lovia volafotsy iray lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo ireo, ho fanatitra; 14 lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 15 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry efa iray taona, iray, ho sorona dorana, 16 osilahy iray, ho sorona noho ny ota, 17 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Nahasona zanak'i Aminadaba.
       18 Tamin'ny andro faharoa, Natanaela zanak'i Soara, filohan'Isakara, no nanolotra ny fanatiny. 19 Izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra izy roa ireo, ho fanatitra, 20 lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra, 21 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 22 osilahy iray, ho sorona noho ny ota; 23 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry, dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Natanaela zanak'i Soara.
       24 Tamin'ny andro fahatelo dia an'i Eliaba zanak'i Helona, filohan'ny taranak'i Zabolòna; 25 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 26 lovia kely volamena, folo sikla, feno zava-manitra; 27 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 28 osilahy iray, ho sorona noho ny ota; 29 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Eliaba, zanak'i Helona.
       30 Tamin'ny andro fahefatra dia an'i Elisora zanak'i Sedeora, filohan'ny tarana-dRobena; 31 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 32 lovia kely volamena iray folo sikla, feno zava-manitra; 33 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 34 osilahy iray, ho sorona noho ny ota; 35 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Elisora zanak'i Sedeora.
       36 Tamin'ny andro fahadimy, an'i Salamiela zanak'i Sorsadaìa, filohan'ny zanak'i Simeona, 37 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 38 lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra, 39 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana, 40 osilahy iray ho sorona noho ny ota, 41 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Salamiela, zanak'i Sorisadaìa.
       42 Tamin'ny andro fahenina an'i Eliazafa, zanak'i Dela, filohan'ny zanak'i Gada, 43 izao no nateriny: lovia volafotsy iray lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 44 lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 45 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 46 osilahy iray, ho sorona noho ny ota; 47 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Eliazafa zanak'i Doela.
       48 Tamin'ny andro fahafito, an'i Elisamà zanak'i Amioda, filohan'ny zanak'i Efraima; 49 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 50 lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 51 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 52 osilahy iray, ho sorona noho ny ota, 53 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Elisamà zanak'i Amioda.
       54 Tamin'ny andro fahavalo, an'i Gamaliela, zanak'i Fadasora, filohan'ny zanak'i Manase; 55 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 56 lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 57 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taoana, ho sorona dorana; 58 osilahy iray, ho sorona noho ny ota, 59 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Gamaliela zanak'i Fadasora.
       60 Tamin'ny andro fahasivy an'i Abidàna zanak'i Jejeona, filohan'ny zanak'i Benjamina; 61 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 62 lovia kely volamena iray, feno zava-manitra; 63 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 64 osilahy iray ho sorona noho ny ota; 65 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Abidàna, zanak'i Jedeona.
       66 Tamin'ny andro fahafolo, an'i Ahiesera, zanak'i Amisadaìa, filohan'ny zanak'i Dana; 67 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 68 lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra, 69 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 70 osilahy iray ho sorona noho ny ota; 71 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Ahiesera, zanak'i Amisadaìa.
       72 Tamin'ny andro faharaika ambin'ny folo, an'i Fegiela, zanak'i Okarana, filohan'ny zanak'i Asera; 73 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 74 lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 75 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana, 76 osilahy iray, ho sorona noho ny ota; 77 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Fegiela zanak'i Okrana.
       78 Tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo, an'i Ahirà, zanak'i Enàna, filohan'ny zanak'i Neftalì; 79 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 80 lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 81 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 82 osilahy iray, ho sorona noho ny ota; 83 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Ahirà zanak'i Enàna.
       84 Ireo no fanomezana avy amin'ny filohan'Israely, tamin'ny fitokanana ny otely, tamin'ny andro nanosorana azy; lovia volafotsy roa ambin'ny folo, kapoaka volafotsy roa ambin'ny folo, ary lovia kely volamena roa ambin'ny folo. 85 Ny lovia volafotsy lanjana telopolo amby zato sikla avy, ary ny kapoaka, fitopolo avy; ka efa-jato amby roa arivo sikla, araka ny sikla masina, no tontalin'ny volafotsy amin'ireo fanaka ireo. 86 Ny lovia kely volamena roa ambin'ny folo, feno zava-manitra, dia samy folo sikla avy, araka ny sikla masina; roapolo amby zato sikla no tontalin'ny volamenan'ny lovia kely. 87 Ny tontalin'ny biby hatao sorona, dia vantotr'ombalahy roa ambin'ny folo; ondralahy roa ambin'ny folo sy zanak'ondry roa ambin'ny folo, efa iray taona, mbamin'ny fanatitra momba azy; osilahy roa ambin'ny folo, hatao sorona noho ny ota; 88 ny tontalin'ny biby hatao sorom-pihavanana, dia omby efatra amby roapolo, ondrilahy enimpolo, osilahy enimpolo, ary zanak'ondry efa iray taona, enimpolo. Ireo no fanomezana naterina tamin'ny fitokanana ny otely, nony efa voahosotra izy.
       89 Raha niditra tao amin'ny trano lay fihaonana i Moizy, mba hiteny tamin'ny Tompo, dia nandre feo niresaka taminy, avy ao amin'ny fanaovam-panavotana izay nipetraka teo ambonin'ny fiaran'ny vavolombelona, anelanelan'ny kerobima roa.
Ary niteny taminy izy.