Ny Fanisana
Fanisana toko 9
Fankalazana ny Paka tany Sinaia - Ny andry rahona.
1 Tamin'ny volana voalohany amin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany tany amin'ny tany Ejipta, dia niteny tamin'i Moizy Iaveh tany an'efitra Sinaia, ka nanao hoe: 2 Aoka ny zanak'Israely hanao ny Paka amin'ny fotoana voatendry. 3 Amin'ny fotoana voatendry, amin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ity volana ity, amin'ny àty takariva, no hanaovanareo azy: io no fotoana voatendry; ataonareo izany araka ny lalàna amam-pitsipika rehetra momba azy. 4 Dia niteny tamin'ny zanak'Israely Moizy mba hanaovan'izy ireo ny Paka. 5 Ka tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany, tamin'ny àty takariva dia nanao ny Paka tany an'efitra Sinaia izy ireo. Notanterahin'ny zanak'Israely avokoa izay rehetra nandidian'Iaveh an'i Moizy.
6 Nisy olona sasany sendra voaloto tamim-paty ka tsy afa-nanao ny Paka tamin'izany andro izany. Nankeo anatrehan'i Moizy sy Aarona andron'izay ihany izy ireo, ka nanao tamin'i Moizy hoe: 7 Voaloto tamim-paty izahay, nahoana izahay no tsy afaka hanolotra ny fanatitray amin'Iaveh amin'ny fotoana voatendry, eo afovoan'ny zanak'Israely? 8 Hoy ny navalin'i Moizy azy: Andraso aloha handrenesako izay handidian'Iaveh anareo. 9 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 10 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo, na amin'ny taranakareo, maloto amim-paty na lasa nivahiny any an-tany lavitra, dia hanao ny Paka ho hajan'Iaveh izy; 11 amin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana faharoa kosa, amin'ny àty takariva no hanaovany azy: mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy no hiara-kohaniny aminy. 12 Tsy hamelany hisy tra-maraina izy, ary tsy hotapahiny ny taolany. Ho araka ny fitsipika rehetra momba ny Paka no hankalazany azy. 13 Raha olona madio sady tsy misy dia nalehany no tsy mankalaza ny Paka, dia hoesorina amin'ny fireneny izy; noho izy tsy nanolotra ny fanatitra ho an'Iaveh amin'ny fotoana voatendry dia hilonjy ny fahotany izy. 14 Raha vahiny mitoetra eo aminareo no manao ny Pakan'Iaveh dia hotandremany ny lalàna amam-pitsipika momba ny Paka. Lalàna iray ihany no ho anareo, na ho an'ny vahiny na ho an'ny tompon-tany.
15 Tamin'ny andro nananganana ny Fonenana, dia nosaronan'ny rahona ny Fonenana, dia ny trano lain'ny vavolombelona izany: nisy zavatra mitarehin'afo teo ambonin'ny Fonenana hatramin'ny hariva ka mandra-pahamarain'ny andro. 16 Toy izany ihany hatrany hatrany: ny rahona nanarona ny Fonenana ary nitarehin'afo izy amin'ny alina. 17 Nony nisondrotra niala tamin'ny trano lay ny rahona, dia niainga nifindra toby ny zanak'Israely; ary eo amin'izay ijanonan'ny rahona no itobiany. 18 Didy avy amin'Iaveh no niaingan'ny zanak'Israely nifindrany toby; didy avy amin'Iaveh no nitobiany; ary naharitra nitoby teo izy mandritra izay nipetrahan'ny rahona teo ambonin'ny Fonenana. 19 Raha nipetraka ela teo ambonin'ny Fonenana ny rahona, dia nanaraka ny didin'Iaveh ny zanak'Israely, ka tsy nifindra. 20 Toy izany koa raha andro vitsy foana no nipetrahan'ny rahona teo ambonin'ny Fonenana; didin'Iaveh no nitobiany, didin'Iaveh no niaingany. 21 Raha nipetraka hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ny rahona, ary niakatra nony maraina, dia niainga izy ireo, na raha afaka indray andro sy indray alina, vao niakatra ny rahona, dia niainga izy ireo. 22 Raha nipetraka teo ambonin'ny Fonenana andro maro, na volana iray na taona iray, ny rahona, dia naharitra nitoby teo ny zanak'Israely, fa tsy niainga; fa nony vao niakatra izy dia niainga izy ireo. 23 Didin'Iaveh no nitobiany, didin'Iaveh no niaingany: nitandrina ny didin'Iaveh izy ireo, araka ny tenin'Iaveh izay nomeny tamin'ny alàlan'i Moizy.