Fitomanian'i Jeremia

Toko faha-2

2 BETH Noravan'ny Tompo, tsy nananany antra, ny fonenan'i Jakoba rehetra. Narodany tamin'ny hatezerany ny mandan'ny zanakavavin'i Jodà. Nazerany amin'ny tany ireo; nohamavoiny ny fanjakana amam-panjaka.

10 YOD Mipetraka mangina amin'ny tany, ny loholon'ny zanakavavin'i Siona; nasiany vovoka ny lohany; mitafy lasàka mitanondri-doha amin'ny tany, ny virjinin'i Jerosalema.

11 KAPH Levona azon'ny ranomaso ny masoko, mangotika ny atiko; mitsonika amin'ny tany ny atiko, noho ny ratran'ny zanakavavin'ny vahoakako, raha ilay toran'ny harerahana iny ny ankizy aman-jaza minono, any amin'ny kianjan'ny tanàna.

12 LAMED Hoy izy amin-dreniny: Aiza no misy mofo sy divay? dia lavo toy ny voan'ny sabatra izy; eny amin'ny kianjan'ny tanàna, ary miala aina eny an-trotroan'ny reniny.

13 MEM Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao, ry zanakavavin'i Jerosalema? Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao, ry virjiny, zanakavavin'i Siona? Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao; iza no hanasitrana anao?

14 NUN Ny hitan'ny mpaminaninao ho anao, dia fahitana mpamitaka sy foana: Tsy naneho ny helokao taminao izy, mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana, fa ny nolazainy taminao ho fahitana, dia teny mandainga sy mandrebireby.

18 TSADE Mitaraina amin'ny Tompo ny fon'izy ireo! Ry mandan'ny zanakavavin'i Siona ô! Avelao handriaka hoatra ny riaka ny ranomasonao, andro aman'alina; aoka tsy hanam-pitsaharana ny anakandriamasonao! Aza mety mijanona akory.

19 KOPH Mitsangàna, miantsoantsoa mandritra ny alina, hatramin'ny filatsahan'ny fiambenana; aidino hoatra ny rano ny fonao, eo anatrehan'ny tavan'ny Tompo! Manandrata tànana aminy, ho an'ny ain'ny zanakao madinika, izay lavo toran'ny hanoanana, eny an-joron-dàlana rehetra eny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1329