Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-2

1 Efatra ambin'ny folo taona taorian'izany, dia niakatra tany Jerosalema indray aho; Barnabe niaraka tamiko, Tito nentiko koa.

2 Fanambarana azoko no niakarako tany; ka nasehoko tamin'izy ireo, indrindra fa tamin'ireo nanan-kaja kokoa, ny Evanjely toriko any amin'ny jentily, hahitany na efa nihazakazaka tokoa aho, na efa nihazakazaka foana. 7 Nony hitany aza fa izaho no nametrahana ny Evanjely ho an'ny tsy voafora, tahaka an'i Piera ho an'ny voafora, 8 satria izay niasa tamin'i Piera haha-Apostoly azy amin'ny voafora ihany no niasa tamiko koa haha-Apostoly ahy ho an'ny jentily, 9 sady fantany koa ny fahasoavana nomena ahy, dia ny nandray tànana anay sy Barnabe no nataon'i Jakoba sy Sefasy ary Joany, izay natao ho andry fiankinana, ary izany no mariky ny firaisana, na izahay aza ho any amin'ny jentily, fa izy ireo kosa ho any amin'ny voafora. 10 Hany hafany dia ny hahatsiarovanay ny mahantra; ka zavatra nahazoto ahy rahateo ny hanao izany. 11 Nony tonga tany Antiokia anefa i Sefasy, dia notoheriko an-kitsirano izao, fa hita fa nanan-tsiny izy.

12 Satria fony tsy mbola tonga ry zareo sasany avy any amin'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny jentily ihany izy; kanjo nony tonga ry zareo ireo, dia niala izy, ka lasa nihatakataka, fa natahotra an-dry zareo voafora. 13 Ary nisy aza Jody sasany, niara-nanao tsikombakomba taminy koa, ka voatarik'izany hatramin'ny tenan'i Barnabe. 14 Vao hitako kosa fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan'ny Evanjely izy ireo, dia i Sefasy no nilazako teo anatrehan'ny olona rehetra teo hoe: Koa hianao Jody aza re, nanaraka ny fomban'ny jentily, fa tsy ny an'ny Jody; ka ahoana no dia ahasahianao manery ny jentily hanaraka ny fomban'ny Jody?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0696