Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Galata toko 3, 1-5,
Ny amin'ny Lalàna sy ny finoana - Ny finoana no ahazoana ny fahamarinana - Ny tsy nahafoanan'ny Lalàna ny teny fampanantenana - Niala ny Lalàna nony tonga ny finoana.

       1Ry Galata adala! iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo Jesoa mifantsika! 2Izao ihany no tiako ho fantatra aminareo: ny asan'ny Lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fihainoana ny finoana? 3Ahoana no dia mahakely saina anareo loatra toy izany, fa nanomboka tamin'ny fanahy hianareo, ka dia hiafara amin'ny nofo indray ve? 4Dia ho nahafantatra foana zava-mahagaga toy izany va hianareo? Ka asa raha tsy ho foana tokoa! 5Izay manome anareo ny Fanahy, sy mahavita asa lehibe eo aminareo, amin'ny asan'ny Lalàna va no anaovany an'izany, sa amin'ny fihainoana ny finoana? >