Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Galata toko 3, 22-29,
<22Fa nohidian'ny Soratra Masina tao amin'ny fahotana izao rehetra izao, mba ho ny finoana an'i Jesoa-Kristy no hahazoan'izay mino, ny fampanantenana. 23Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia nohidiana hambenan'ny Lalàna isika, mba ho amin'ny finoana izay efa haseho aty aoriana.
       24Ny Lalàna àry dia toy ny mpitaiza nitarika antsika ho amin'ny Kristy, mba hohamarinina amin'ny finoana isika. 25Koa nony tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika; 26fa efa zanak'Andriamanitra amin'ny finoana ao amin'i Jesoa-Kristy hianareo rehetra. 27Satria hianareo rehetra natao batemy ho an'ny Kristy, dia nitafy ny Kristy avokoa. 28Ka tsy misy Jody na jentily intsony; tsy misy andevo na tsy andevo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany hianareo rehetra ao amin'ny Kristy Jesoa. 29Ary raha an'ny Kristy hianareo, dia taranak'i Abrahama tahaka azy, ka mpandova araka ny fampanantenana. >