Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Galata toko 5, 1-6,
Tsy ilaina ny famorana sy ny fomba taloha - Ny asan'ny nofo sy ny asan'ny Fanahy.

       1Efa navotan'ny Kristy ho amin'ny fahafahana isika, ka mijoroa amin'izany, fa aza mety hampidirina amin'ny jiogan'ny fanandevozana intsony. 2Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforana hianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza ny Kristy. 3Eny, averiko indray amin'ny olona rehetra manaiky hoforana fa vao mainka koa voafehy hanatanteraka ny Lalàna rehetra aza izy. 4Fa tafasaraka amin'ny Kristy hianareo rehetra mitady fahamarinana amin'ny Lalàna, ka lavo niala tamin'ny fahasoavana hianareo. 5Izahay kosa dia amin'ny Fanahy sy noho ny finoana no iandrasanay ny fanantenana ny fahamarinana; 6satria ao amin'ny Kristy Jesoa dia tsy mampaninona izay famorana na tsy famorana, fa ny finoana ampiasain'ny fitiavana ihany no izy. >