| Toko | Votoatiny |
| Toko 1
| Fanontaniana nampitebiteby ny mpaminany: nahoana ny ratsy fanahy no mandresy sy mandoza ny marina? - Filazana ny tafiky ny Kaldeana - Averiny ny fanontaniana, ary andrasana ny valy izay omen'Andriamanitra azy. |
| Toko 2
| Fanontanian'ny mpaminany, valin'Andriamanitra - Loza ho an'ny firenena miavonavona, tsy mety afa-po; totofany fanompoana ny olon-dresiny; ny mampahory firenena sy mampanompo azy ireo andriamaniny no ifaliany. |
| Toko 3
| Vavaky ny mpaminany - Lohateny sy fiantsoana ny indrafon'Andriamanitra - Miseho hitsara Iaveh; fikorontanana amin'ny olombelona sy ny zavatra hafa - Mientana ny fon'ny mpaminany. |