Bokin'i Habakòka
Habakòka toko 3
Vavaky ny mpaminany - Lohateny sy fiantsoana ny indrafon'Andriamanitra - Miseho hitsara Iaveh; fikorontanana amin'ny olombelona sy ny zavatra hafa - Mientana ny fon'ny mpaminany.
1 Vavaka nataon'i Habakòka, mpaminany. Araka ny fomban-dahateny ditirambika.
2 Iaveh ô, nandre izay nampandrenesinao aho,
dia raiki-tahotra aho, Iaveh ô!
Velomy ny asanao amin'ny taona mifandimby;
ataovy fantatra amin'ny taona mifandimby izy.
Na eo amin'ny hatezeranao aza, mahatsiarova ny hamindra fo.
3 Tamy avy any Temàna Andriamanitra,
ary avy any an-tendrombohitra Faràna ilay Masina (Selà).
Nanarona ny lanitra ny fiandrianany;
ary nameno ny tany ny voninahiny.
4 Toy ny fahazavan'ny masoandro miposaka ny famirapiratany;
misy tana-masoandro avy eo amin'ny tànanay;
ao no ieren'ny heriny.
5 Mandeha eo anoloany ny fandripahana;
ary manaraka ny diany ny tazo mahamay.
6 Nijanona izy, ka nampihorohoro ny tany;
nijery izy ka nampihozongozona ny firenena;
torotoro ny tendrombohitra mandrakizay,
nietry ny havoana fahagola;
ny làlany taloha no narahany.
7 Hitako latsaka am-pahoriana, ny lain'i Kosana,
ary mihorohoro ny lay amin'ny tanin'i Moaba.
8 Amin'ny ony va no mahatezitra an'ny Tompo?
sa amin'ny ony no irehetran'ny fahatezeranao?
amin'ny ranomasina no mampisafoaka anao,
raha ilay mitaingina ny soavalinao iny hianao,
raha mitaingina ny kalesim-pamonjenao?
9 Ny tsipìkanao miseho miharihary;
ny zana-tsipìkanao dia ireo fianianana voatononao (Selà).
Ataonao mivava ny tany ho ranon-driaka.
10 Nahita anao ny tendrombohitra ka mangovitra,
nisy rambon-dranitra nandalo,
niloa-peo ny hantsana
sady nananga-tànana mankany ambony.
11 Tafajanona eo amin'ny fitoerany ny masoandro amam-bolana;
ka ny fanjelanjelatry ny zana-tsipìkanao no andehanan'ny olona,
sy ny fahazavan'ny lefonao mamirapiratra.
12 Mitetitety ny tany amim-pahatezerana hianao,
hitsahanao amim-pahavinirana ny firenena.
13 Nivoaka hamonjy ny olonao hianao,
hanafaka an'ilay Voahosotrao;
notapahanao ny vovonan'ny tranon'ny ratsy fanahy,
nahariharinao hatrany ambany ny fiorenany (Selà).
14 Notrobaranao tamin'ny zana-tsipìkany ihany, ny lohan'ireo antokon'olony,
izay nibosesika hamely ahy,
tamim-panaovana hobin-kafaliana toy ny efa handevona
ny ory ao amin'ny fieren'izy ireo.
15 Hitsahanao amin'ny tongo-tsoavalinao ny ranomasina,
ny fitambaran'ny rano be.
16 Vao nandre aho dia nivadika ny tsinaiko;
mipararetra amin'izany feo izany ny molotro,
idiran'ny fahalovana ny taolako,
mangovitra ny lohaliko eo ambaniko,
noho ny tsy maintsy hiandrasako amim-piadanana ny andro mahory,
izay hiakaran'ny fahavalo hampahory ny vahoaka anankiray.
17 Satria amin'izany ny aviavy tsy hamontsina,
ny voaloboka tsy hisy hotoazana;
ny oliva tsy hisy voany;
ary ny saha tsy hahavoka-kanina;
tsy hisy hita intsony ao amin'ny vala ny ondry
ary ny fahitra tsy hisy omby intsony.
18 Fa izaho dia te-hiravoravo amin'ny Tompo,
te-hientan-kafaliana amin'ny Andriamanitry ny famonjena ahy.
19 Iaveh Tompo no heriko;
ataony toy ny an'ny serfavavy ny tongotro,
ary ampandehaniny eny amin'ny fitoerako avo aho.
Ho an'ny filohan'ny mpihira, amin'ny zava-manenoko tendrena.