Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-10

1 Ny Lalàna moa dia tsy misy afa-tsy aloky ny soa ho avy, fa tsy ny tena endri-javatra, ka ireny sorona tsy niova sy fanatitra isan-taona ireny dia tsy nahalavorariany izay olona nanatona velively akory.

2 Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona: satria rahefa voadio indray mandeha ny mpanatitra, dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin'ny fieritreretany. 3 Nefa isan-taona dia nahatsiaro ny fahotany ihany ny olona tamin'ireny sorona ireny, 4 satria aiza izay ran-janak'omby sy ran'osilahy no hahafaka ny fahotana? 5 Noho izany indrindra, nony niditra tamin'izao tontolo izao ny Kristy dia nanao hoe: Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho ahy hianao; 6 tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, 7 ka hoy aho hoe: Inty aho tonga - fa izaho no voalaza ao amin'ny horonam-boky - hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô! 8 Voalohany aloha lazainy hoe: Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota, - dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; - 9 manaraka izany tohiziny hoe: Inty aho tonga hanao ny sitra-ponao; ka manafoana ny voalohany izy amin'izany mba hanorenany ny faharoa, 10 ary ny herin'izany sitra-po izany no nanamasinana antsika, tamin'ny nanoloran'i Jesoa-Kristy ny vatany indray mandeha monja.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0777