Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-10

19 Koa amin'izany, ry rahalahy, noho ny ran'i Jesoa, izay nahafaka malalaka antsika hiditra amin'ny fitoerana masina,

20 mihazo ny làlam-baovao sy velona nosantarany ho antsika mamaky ny efitra lamba, izany hoe ny nofony, 21 sy noho isika manana Mpisorombe mitandrina ny tranon'Andriamanitra, 22 dia aoka isika hanatona amin'ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin'ny fo voafafy ho afaka amin'ny fieritreretana mipentina ota, sy amin'ny vatana voasasa tamin'ny rano madio. 23 Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin'ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky ilay nanao ny fampanantenana. 24 Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. 25 Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon'ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao hitanareo fa efa antomotra ny andro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0499