Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-4

1 Koa aoka hatahotra isika, dieny mbola manana ny teny fampanantenana, fa hiditra amin'ny fialàny sasatra, mba tsy hisy tsy hahatratra izany aminareo na dia iray aza.

2 Fa isika koa dia nitoriana filazana mahafaly toa an'ireny, saingy tsy nombany finoana ny teny ren'izy ireny, ka tsy nahasoa azy akory. 3 Fa isika izay mino kosa dia hiditra amin'ny fialan-tsasatra, araka ny voalazany hoe: Nianiana noho ny hatezerako aho fa tsy hiditra amin'ny fialan-tsasatro izy ireo: toy izany ny teniny, na dia efa vita tapitra hatramin'ny niandohan'izao tontolo izao aza ny asany. 4 Fa hoy izy hoe, amin'ny andininy anankiray any ho any ny amin'ny andro fahafito: Ary Andriamanitra niala sasatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito; 5 ary eto indray, hoy izy: Tsy hiditra amin'ny filan-tsasatro izy ireo. 11 Koa aoka isika hazoto miditra amin'izany fialan-tsasatra izany, mba tsy hisy ho latsaka amin'ny tsy finoana tahaka ireny koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0602