Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Hebrio toko 4, 12-16,
<12Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan'ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan'ny fo. 13Tsy misy zava-boary miafina eo anatrehan'Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason'izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
       14Koa noho isika manana Mpisorona lehibe izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesoa Zanak'Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika. 15Satria tsy mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin'ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana. 16Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan'ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin'ny andro ilàntsika izany. >