Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-5

1 Fa rahefa mety ho mpisorombe ka alaina amin'ny olona, dia tendrena ho solon'ny olona amin'ny fifampiraharahany amin'Andriamanitra, mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota,

2 sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania izy, satria na ny tenany aza mba voan'ny fahalemena ihany koa, 3 ka noho izany fahalemeny izany, tsy maintsy manao sorona ho an'ny tenany, toy ny ataony ho an'ny vahoaka ihany koa izy. 4 Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany, afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra tahaka an-dry Aarona ihany. 5 Dia toy izany koa ny Kristy, fa tsy izy no nanandra-tena ho mpisorombe, fa ilay nanao taminy hoe: Zanako hianao, izaho no niteraka anao androany; 6 sy nilaza amin'ny teny hafa koa hoe: Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban'i Melkisedeka. 7 Tamin'ny andron'ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin'ilay nahavonjy azy tamin'ny fahafatesana izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an'Andriamanitra, 8 dia nianatra ny fanekena tamin'ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza; 9 ary ankehitriny, efa tonga amin'izay fanaperana izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an'izay manaiky azy, 10 fa antsoin'Andriamanitra hoe: Mpisorombe araka ny fomban'i Melkisedeka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1166